👍🏾 Lalana miavaka !
Matetika aho no naheno olona maro nilaza fa ny ampahany tsara indrindra amin’ny dia, dia tsy ilay toerana handehanana, fa ny dia eny an-dalana mihitsy. Ity hevitra ity dia tsy mihatra amin’ny Lanitra, satria tsy hisalasalana fa ny Lanitra no ho ampahany tsara indrindra. Marina tokoa fa eny an-dalana no hanoratana ny tantara, ary eny ihany koa no iainana ny fotoana mampientanentana indrindra.
Dia miavaka ny fiainantsika. Mijanòna kely anie ianao, ary eritrereto ireo fotoana sarobidy rehetra niainanao hatramin’ny fahazazanao : ireo fiaraha-misakafo miaraka amin’ny fianakaviana, ny fialan-tsasatra miaraka amin’ny namana, ny filentehan’ny masoandro, ny fitsangatsanganana, ireo fotoana miavaka, ireo fahombiazana … Rehefa mieritreritra an’izany aho dia tsy haiko ny tsy hisaotra Andriamanitra noho ny amin’ireo fotoana tsirairay ireo. Tena miavaka izy ireo, feno hatsarana !
Eny, misy koa ny fotoana mampahory sy mafy, izay toa ny helo mihitsy no mijoro manohitra antsika. Saingy na dia tamin’ireo fotoana ireo aza, moa ve ianao efa nahatsapa ilay karazana fiadanana izay nanohana anao, toa feno fiadanana ao am-ponao lalina ?
Ny zava-marina hita na ao anatin’ny andro mahafinaritra na amin’ny fotoana sarotra dia ny hoe : tsy irery ianao. Hoy ny mpanao salamo : “Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,Dia tsy hatahotra ny loza aho; Fa Hianao no amiko”. (Salamo 23:4).
Ry namako, ny ampahany tsara indrindra amin’ny eny andalan’ny fiainana dia ny fizaranao izany amin’Ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana.
Eny, miaraka aminao mandrakariva Jesosy “ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” (Matio 28:20), hampahery anao, hanavao ny herinao, hitarika anao ary hampitraka anao rehefa tsy afaka manohy intsony ianao. Izy no Fanalahidin’ny zava-drehetra, ary miaraka Aminy no hahatraranao izany tanjona be voninahitra izany, sady mankafy ny hakanton’ny lalana.
Araraoty tanteraka ity andro ity eo amin’ny fanatrehany.