👍🏻 Ny asa vita tsara, toa tsara…
Tianao ve ny asa vita tsara? Izaho tena tia ! Efa hatramin’izay no tiako ny miezaka manao izay tsara indrindra amin’izay ataoko, na dia amin’ny zavatra madinika aza.
Ny ezaka dia iray amin’ireo toetra tsara indrindra ananan’ny olombelona. Rehefa miezaka mafy isika amin’ny zavatra iray ary mahita ny vokatra tsara avy amin’izany, dia tena mahafaly ary manentana antsika hanohy hanatsara ny ezaka ataontsika.
Tena mahafinaritra ahy foana ny mahita olona miezaka ny hanao izay tsara indrindra amin’izay ataony. Raha ny marina, ny ezak’izy ireo dia fanehoam-pitiavana ho an’ny hafa, ary fomba iray hanehoana amim-pahatsorana ny fitiavantsika an’Andriamanitra.
Rehefa niantso an’i Josoa Andriamanitra, dia nilaza taminy hoe: “Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin’ny razany homena azy.” (Josoa 1:6).
Nisy iraka nankinin’Andriamanitra tamin’i Josoa. Ary mba hahatanterahany izany dia tsy maintsy niezaka ny hanao araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy izy, sady nanana herim-po hiatrika ny loza, ny tsikera ary ny fisalasalana.
Ry namako, ny ezaka sy ny herim-ponao dia ilaina mba hanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny fiainanao! Tiany ny hampiasa anao ho fanasoavana ny hafa sy hanitatra ny fanjakany eto ambonin’ny tany. Tonga ny fotoana hanoloranao ny tenanao tanteraka ho Azy, ka hialà nao amin’io “toerana efa mahazatra” anao io amin-kery!
Manasa anao aho haka fotoana vitsy hieritreretana sy hivavahana amin’ny Tompo. Mangataha Aminy mba hanome anao fahiratan-tsaina hahalala izay antsony ho anao, ary mba hanampiany anao hanana herim-po hanatanteraka izany.
Matoky aho fa ho lasa fitahiana ho an’ny maro ny fiainanao!
Mitondra anao ato am-poko aho.