👉 Mihevitra ny tenanao ho mpitarika ve ianao ?
Rehefa mandre ny teny hoe “mpitarika” ianao, inona no tonga ao an-tsainao ? Lohahevitra hita na aiza na aiza eo amin’ny tontolon’ny asa na amin’ny sehatra samihafa eo amin’ny fiainana ny fitarihana, anisan’izany ny any am-piangonana.
Marina fa ilaina ny fitarihana mba handrosoan’ny zava-drehetra sy handehanany tsara, saingy karazana fitarihana inona no tiana ho resahina eto ? Indraindray isika dia manana hevi-diso momba ny tena dikan’ny hoe mitarika olon-kafa. Raha ny zava-misy, misy endrika fitarihana sasany izay mitondra poizina, manimba ary tsy mandaitra, fa ny hafa kosa manentana sy mitahy. Angamba ianao efa niaina ny iray tamin’ireo teo amin’ny fiainanao, avy tamin’ny lehibenao na olona manana fahefana.
Mety hieritreritra ianao fa tsy misy ifandraisany amin’ny fitarihana ianao, saingy tsy izany no zava-misy : samy mampiasa ny ambaratongam-pitantanana isika rehetra, raha mbola afaka mitaona ny hafa ny fiainantsika.
Ohatra, rehefa miaraka amin’ny zanakao ianao na ny namanao, rehefa manomana asa miaraka amin’ny hafa ianao na mizara amin’ny olona iray, dia mitaona azy ireo ianao, mitarika, mandamina … Raha fintinina dia mitarika ianao, ary zava-dehibe ny ahafantaranao bebe kokoa ny amin’izany, mba hampiharana izany fitarihana izany amin’ny fomba tsara.
Jesosy no mpitarika tsara indrindra teo amin’ny tantara, ary hoy Izy ao amin’ny Teniny : “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao… Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra..” (Matio 5:14-16).
Eny, ry namako, voantso hamirapiratra ianao mba hisy fiantraikany sy ho fitahiana ny hafa ! Tsy nantsoina hiafina ianao fa hamirapiratra, hitaona, hitahy, ary hitarika ny hafa ho amin’ny Tompo.
Mandritra ny andro vitsivitsy manaraka eo dia hiarahantsika mahita ny fanalahidin’ny fitarihan’i Jesosy izay, resy lahatra aho fa hisy fiantraikany eo amin’ny fiainanao izany. Vonona ve ianao ?