👉 Efa nandray fanapahan-kevitra ve ianao?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 👉 Efa nandray fanapahan-kevitra ve ianao?

Efa andro vitsivitsy izay isika no niresaka momba an’ilay “Andriamanitra izay mahita anao”, ary amin’izao andro farany izao, dia hiditra “lalina kokoa” isika… satria misy fanontaniana tena manan-danja tokony hapetrako aminao: vonona ve ianao?

Rehefa tonga eo amin’ny sampanan-dalana ianao ka te hivily miankavanana, inona no ataonao ry namana?

Tafiditra tsara eo amin’ny ankavanan-dalana  ianao ary tsy miandry fotoana farany, sa tsy izany? Raha amin’ny minitra farany ianao vao mihetsika dia azo inoana fa tsy manan-tsafidy intsony ianao fa tsy maintsy manohy mahitsy, tsy afaka mivadika araka ny fikasanao.

Mampahatsiahy ahy zavatra iray izany: ilay Andriamanitra “...izay mahita anao” (Genesisy 16.13). Ary efa nahita anao talohan’ny nahaterahanao :

Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin’ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany..” (Salamo 139.15)

Na dia talohan’ny nizoranao teo amin’ny lalan’ny fiainana aza dia efa nibanjina anao Izy. Ary napetrany teo anoloanao, hatrany am-piandohana, ny safidy hiara-mandeha Aminy na hanapa-kevitra manokana ny amin’izay lalana tianao haleha. Io safidy malalaka io no resahin’ny olona amin’ny fotoana rehetra.

Na izany aza, amin’ny maha-olombelona antsika, dia matetika isika mandeha amin’ny lalana iray, izay tsy nosainina akory hoe hitondra mankaiza. Ny ao an-tsaintsika dia izao: “Ao aoriana ao aho no manapa-kevitra”.

Kanefa rehefa mikorontana tampoka ny zava-mitranga eo amin’ ny fiainantsika dia miezaka ny mitodika haingana amin’Andriamanitra isika, satria mila Azy isika … Fa ankehitriny anefa toa ohatran’ny tsy misy azo atao intsony! (Toy ny fahasarotan’ny fiovan-dalana rehefa mitondra fiara)

Satria io lalana io dia tsy maintsy miady amin’ny lainga, toy ny hoe: “Ankehitriny, Andriamanitra dia tsy mila anao intsony” na: “Tara loatra, efa nopotehinao ny zava-drehetra, tokony teo aloha ianao no nanatona an’Andriamanitra”.

Izany no loza ateraky ny tsy firaharahanao ny fanapahan-kevitra mazava avy amin’Andriamanitra.

Aza avela hanagadra anao ny sitraponao, fa te hanafaka anao ilay Andriamanitra mahita anao.

Ry namako, efa nandray fanapahan-kevitra ho Azy ve ianao?

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!