👉🏻 Mahaiza misafidy tsara !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 👉🏻 Mahaiza misafidy tsara !

Misy fikarohana sasany maneho fa ny olombelona dia afaka manana katramin’ny 60000 eritreritra isan’andro, ary maro amin’izany eritreritra izany no tsy tsara, mifandray amin’ny lasa. Mahaliana kosa e?

Eny, ireo eritreritsika dia tsy avy amin’izay zavatra rentsika sy hitantsika fotsiny ihany akory, fa avy amin’ny eritreritra rehetra izay tonga ao an-tsaintsika : vina, tahotra, fanahiana, tsiaro, zavatra tokony hatao… ohatra vitsivitsy ihany ireo.

Eritreritra tsy tsara firy no tonga ao aminao isan’andro ? Lasa tsy nahomby firy, henatra, tsy fahatokiana, tahotra… firy no mandodona ao amin’ny varavaran-tsainao matetika ?

Izay zavatra eritreretintsika dia misarika antsika be mihitsy. Izany no voalaza ao amin’ny Ohabolana, indrindra amin’ity andalana ity : “Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany” (Ohabolana 23:7). Ny eritreritrao izay tena lalina no misarika ny maha ianao anao sy ny fomba fiainanao. Raha toa ary ka voaloto ny eritreritrao, dia mazava ho azy fa misy akony amin’ny lafim-piainanao rehetra izany .

Izany no mahatonga ny teny voalaza ao amin’ny Baiboly hoe : “Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.” (Filipiana 4:8).

Eny, ry namako, manana fahafahana misafidy izay eritreretinao ianao ! Afaka misafidy ny hanary ny eritreritra ratsy eo amin’ny fiainanao ianao ka mampifantoka ny eritreritrao amin’ny:

  • Izay marina.
  • Izay tsara.
  • Izay rariny.
  • Izay madio.
  • Izay malefaka.
  • Izay mendri-piderana.

Saino anie hoe toy ny ahoana ny mety ho fiainanao e, raha mahavita mitazona mandrakariva ireo fomba fisainana tsara ireo ianao, ka tsy manisy toerana ho an’ny fisainana tsy tsara ? Izany no atao hoe nofy e?

Manomboka anio, manasa anao amin’ny foko lalina indrindra aho mba hisafidy ny hanadio ny eritreritrao rehetra, mba tsy ho feno afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra ny fanahinao.

Manao fampatsiahivana kely aho ny amin’ny hanohizantsika ny vavaka ho an’ity firenena tsara ity, dia Madagasikara izany, mba hitoetra mandrakariva eo amintsika ny Tanany, ary ny Tenin’Andriamanitra anie no hamoky ny fanahintsika isan’andro.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!