👉🏻 Hataoko tsapanao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 👉🏻 Hataoko tsapanao !

Manomboka eto isika dia hanomboka hisaintsainana ny iray amin’ireo lohahevitra tiako indrindra ao amin’ny Baiboly : ny fampanantenan’Andriamanitra.

Eny, manome antsika fampanantenana miavaka ao amin’ny Teniny Andriamanitra. Raha ny marina, mino aho fa raha mangataka aminao mba hilaza teny fikasana iray ao amin’ny Baiboly, dia azo antoka fa afaka hanome ahy vitsivitsy ianao, sa tsy izany?

Ny iray amin’ireo tiako indrindra dia ao amin’ity andininy ity izay milaza hoe: « Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho » (Salamo 32:8).

Whaooh! Raha ny marina, dia mbola tsaroako ny andro niainan’io fampanantenana io tato anatiko. Maraina ny andro tamin’izay ary vao nifoha aho.

Nisy fanahiana tao anatiko satria tsy tena fantatro loatra izay tokony hataoko teo amin’ny fiainako tamin’io fotoana io. Nikatsaka ny fitarihan’ny Tompo tao anatin’ny vavaka aho, ary tamin’io maraina io dia voatarika hanao zavatra tsy mahazatra aho : vakio eo amin’ny kalandrie ny tenim-panahy ho an’ny anio.

Rehefa nanao izany aho dia tsaroako fa nisy fiantraikany lehibe teo amiko ilay andininy novakiako tamin’io. Tsapako fa niteny tamiko mivantana Andriamanitra!

Nanomboka nameno ny foko ny finoana. Nanana finoana aho fa Andriamanitra mihitsy no hitari-dalana ahy amin’ny dingana rehetra… Ary tena izany no nataony!

Nandritra ny 20 taona mahery, dia afaka niaina io fampanantenana io isan’andro aho, nandritra ny fiarahako tamin’ny Tompo. Toy izany koa ireo fampanantenana maro hafa izay tiany homena antsika ao amin’ny Teniny. Tena mahatoky tokoa Andriamanitra!

Eny, ry namako, efa nanomana fampanantenana miavaka ho anao Andriamanitra, ary tiany ny hanatanteraka izany eo amin’ny fiainanao.

Mandritra ity herinandro ity dia te handalina bebe kokoa aho ary hizara aminareo ny fomba hanatanterahan’Andriamanitra ny teny fikasany eo amin’ny fiainantsika, sy ny fanapahan-kevitra azontsika raisina mba hahatanteraka izany.
Foto-kevitra mahafinaritra tokoa izany!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!