👆🏻1% ihany…
Ny olombelona dia manana fironana hifantoka amin’ny fahadisoana.
Alaivo sary an-tsaina hoe sendra olona miakanjo tsara mifanena aminao eny an-dalana, nefa misy tasy lehibe hita amin’ny ampahany amin’ny akanjony…
Inona no mety ho hitanao voalohany? Ilay tasy. 99% amin’io olona io dia tsara io, fa io zavatra tsy mety 1% io no misarika ny saintsika.
Mora ny maka sary an-tsaina ny fomba nandotoan’io olona io ny akanjony. Mora ny manomboka mitsara azy, noho ny tsy nahitany izany tasy izany mialoha, na ny fivoahana ny trano amin’ny fitafy toy izany.
Araka ny diksionera “Larousse”, ny miampanga dia “manala baraka olona noho ny fahadisoana, fandikan-dalàna na fihetsika na toetra heverina ho tsy mendrika”.
Fantatrao ve hoe iza no antsoina hoe “mpiampanga” ao amin’ny Baiboly? Ny devoly.
Miezaka manasongadina ny fahadisoantsika foana ny fahavalo, mampiseho ny fahotantsika, maneho izany eo ambany masontsika.
Fantatrao ve ny antony? Satria ilay fahavalo dia tsy mpiampanga fotsiny. Antsoina hoe “rain’ny lainga” koa izy (Jaona 8:44). Amin’ireo fiampangana rehetra ireo dia miezaka izy hameno ny eritreritrao amin’ny lainga isan-karazany mba hinoanao fa mpihatsaravelatsihy, kristiana ratsy fanahy, zanak’Andriamanitra mahonena ianao… ka tsy misy antenaina intsony.
Raha mbola mino ny laingany ianao, dia tsy hiady amin’ny finoana. Fa mbola hanohy hahatsapa fa tahaka ny difotra ao anaty rano ny lohanao, na mahatsapa ho toy ny tsy fahombiazana… Raha izany no izy, dia tsy ho olana ho an’ny fahavalon’ny fanahinao intsony ianao satria ho efa tratrany ny tanjony, dia ny ny hampalemy anao.
Ry namako, tsy afaka mijanona toy izao ianao : anio no andro tokony hiarovanao tena ! Manoloana an’io mpiampanga io, dia ny devoly, ianao dia manana ny Mpisolovava tsara indrindra izay teo hatramin’izay, ary afaka hiaro anao : Jesosy Kristy.
Tsy mbola resy mihitsy Izy tamin’ny ady nataony, ary Izy no handresy ho anao 😉. Maty noho ny fahotanao rehetra Izy, ary nanadio anao tamin’ny rà nalatsany teo an-tendrombohitra Golgota. Noho izany antony izany dia afaka manomboka fiandohana vaovao ianao anio. Tsy mahafinaritra ve izany?
Mitondra anao ato am-poko aho. Sarobidy amin’Andriamanitra ianao!