👆🏻 Mitsangà na!
Efa nisy fotoana ve ianao menatra tamin’ny fahotana sasany nataonao?
Izaho manokana dia miaiky fa nahatsapa izany henatra izany imbetsaka teo amin’ny fiainako. Fantatro tsara izany fahatsapana izany: miaraka amin’ny henatra, dia matetika koa ny fanamelohan-tena izay mahatonga antsika hahatsapa ho maloto sy tsy misy vidiny, tsy mendrika ny fitiavan’Andriamanitra.
Ry namako, mety mahatsapa toy izany ianao eo amin’ny fiainanao. Raha izany no izy, dia anio no andro hanafahan’Andriamanitra anao! Jesosy dia tsy miampanga anao, na manameloka anao noho ny tsy fahombiazanao; fa kosa maninjitra ny tanany aminao Izy ka manao aminao hoe: “Manaraha Ahy!” Manasa ny tongotrao Izy, tahaka ny nanasany ny tongotry ny mpianany, ary manafy fitafiana vaovao ny fiainanao.
Hoy ny Baiboly: “Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony.” ( Galatiana 5:1 ). Ireo eritreritra feno henatra sy fiampangana tsapanao io dia anisan’ny paikadin’ny fahavalo mba ahatonga anao hihevitra fa feno faharatsina ianao. Fotoana izao hialĂ nao ao anatin’izany! Anio, mitsangĂ na amin’ny Anaran’i Jesosy, ampiasao ny fanalahidy izay hitantsika androany, ary tano mafy ilay fahafahana sarobidy izay omen’Andriamanitra ho anao.
Andeha isika hivavaka: “Tompo ô, misaotra Anao fa nataonao mihoatra noho ny mpandresy izahay. Misaotra Anao nanadio anay sy nanala ny henatray, mba hanarahanay Anao amin’ny hery vaovao, sy hijoroanay amin’ny fahafahanao. Misaotra Anao noho ny fahamoram-panahinao, noho ny fahafahanao tsy manampetra. Amin’ny anaran’i Jesosy, amen!”
Sarobidy eo imasony ianao ry namako.