👆🏻 Hatao anie ny Sitraponao!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 👆🏻 Hatao anie ny Sitraponao!

Iray amin’ireo fahagagana voalohany nitranga tamin’ny fahatongavan’i Jesosy teto an-tany ny Fahaterahany.

Nirahina ho any amin’i Maria ny anjely Gabriela mba hanambara aminy ny drafitr’Andriamanitra. Nandritra ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo, ny valintenin’i Maria dia hanova ny zava-drehetra ! Tamin’izany no nilazany tamin’ilay anjely hoe: “Indro, ankizivavin’i Jehovah aho, aoka ho tonga amiko araka ny teninao.” ( Lioka 1:38 ).

Mora ny mamaly “Eny” rehefa tsy misy hatahorana. Saingy ho an’i Maria, tamin’ny fanekeny dia nisafidy ny hizaka voka-dratsy maro izay mety hanimba ny fiainany koa izy:

  • Tsy hisy nino fa bevohoka tamin’ny fomba mahagaga izy.
  • Holavin’ny mpiara-monina aminy sy ny namany izy, indrindra fa tamin’io fotoana io.
  • Ny fofombadiny dia hihevitra fa nampirafy azy izy, izay mety handratra ny fony.
  • Mety ho notoraham-bato mihitsy aza izy, raha nampihariharin’ i Josefa izany!

Kanefa, tamin’izay fotoana izay, dia tsy nisy zava-dehibe taminy izany rehetra izany manoloana ilay anjely sy ny voninahitr’Andriamanitra rehetra tao amin’io efitrano io. Izay olana rehetra mety hiseho dia tsy nataony laharam-pahamehana fa hoy izy hoe : “Eny, Tompo ô, tanteraho amiko ny sitraponao.”

Izany toe-tsaina izany dia manokatra ny varavarana ho amin’ny fahagagan’Andriamanitra. Eny tokoa, tsy nisy na inona na inona tanteraka tamin’ny ireo lisitra rehetra voalaza tetsy ambony. Ary Andriamanitra dia naniraka anjely tany amin’i Josefa mba hahazoany izay zava-mitranga, sy hitarika azy roa kely amin’ny lalana rehetra halehany , hiaro azy ireo ary hanome azy ireo fanambarana manokana.

Eny, ry namako, Izy no Andriamanitsika! Rehefa miteny hoe “Eny” isika amin’izay bitsika lalina ataony ao am-pontsika, dia karakarain’Andriamanitra ny antsipiriany rehetra.

Amin’izao vanim-potoan’ny Krismasy izao, misy zavatra asain’Andriamanitra ataonao ve? Mety misy eritreritra mandalo tampoka ao an-dohanao ao? Na hevitra iray izay fantatrao fa afaka mitahy olona iray?

Mety manasa anao Andriamanitra hiantso an-tarobia olona iray manokana , na handeha hizara sakafo ho an’ny mahantra, na hizara fijoroana vavolombelona ao amin’ny tambajotra sosialy … ary mety hampatahotra anao ny sasany amin’ireo eritreritra ireo, satria mety tsy zatra manao ireo zavatra ireo ianao. Saingy tiako ny hamporisika anao hamaly mazava hoe: “Eny, Tompo o!”, ary hanao dingana iray amin’ny finoana. Ary ho hitanao fa hitombo sy hahatsiaro sambatra ianao!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!