đź‘„ Ovao ny fomba fiteninao !
Inona ny fahagagana andrasanao fatratra ry namako ?
Tsy fantatro izay andrasanao saingy azoko antoka tanteraka fa azon’i Jesosy omena anao izany ary tiany homena anao !!
Mety ho hafa noho izay andrasanao anefa ny valiny :
Ohatra hoe raha tokony ho fanasitranana dia mety ho hery entina miaina miaraka amin’ilay aretina no homeny anao. Na mety tsy hamaha ny olanao koa Izy fa hanome fahendrena hiatrehana azy.
Fa na inona na inona valiny horaisinao avy amin’Andriamanitra dia afaka matoky ianao fa hahatsara anao izany !
Mety efa fantatrao ny tantarako. Ny mpitsabo dia nilaza fa tsy hahatratra ny faha-18 taonako aho. Nampalemy ahy loatra ny aretiko ka tsy nanana hery niatrehana fiainana intsony aho.
Na izany aza dia tsy nanaiky ho resy lahatra tamin’ny fitsaran’olombelona sy ny fahanginan’Andriamanitra ny ray aman-dreniko fa nitohy niantso an’Andriamanitra sy nanonona FIAINANA tamiko izy ireo !
« HO VELONA ny zanakay! »
Io fehezanteny io no nambaran’izy ireo tamin’ny feo avo. Tsy izaho irery no naheno izany fa Andriamanitra ihany koa. Ary izay zavatra rehetra nanohitra ny fiainako dia naheno ireo tenim-pinoana ireo.
Ny fisalasalana dia tsy afaka mitoetra eo amin’izay misy ny finoana !
Toy izany koa ny fomba nisehoan’ny fahagagana voalohany ao amin’ny Baiboly. Ireo nanodidina an’i Maria sy izay nanomana ny tavoara handraisana ny fahagagana dia mety nihevitra azy ho adala. Efa nilaza tamin’izy ireo tokoa Jesosy talohan’izay hoe : « Tsy mbola tonga ny fotoako » (Jaona 2,4).
Kanefa nandidy azy ireo Izy mba hanao izay lazainy.
Nametraka Finoana sy Fiainana teo amin’ny toe-javatra izay toa tsy ho tanteraka mihitsy Izy !
Mankahery anao ihany koa aho hanonona FIAINANA amin’ny feo avo eo amin’ny toe-javatra lalovanao.
Te hanandrana izany ve ianao anio ry namako ?