👀Ny hitan’Andriamanitra ao aminao !
« Tsy vitako izany fa tsy toetrako ».
Impiry ianao no niala tsiny toy izany ry namako ?
Ary raha tsy toy ny fahitanao ny tenanao mihitsy moa ianao ? Ary raha nametrahan’Andriamanitra fahaiza-manao izay tsy mbola hitanao saingy tena ao anatinao ao tokoa ?
Efa tojo toe-javatra toy izany ihany koa i Gideona. Satria amin’ny lafiny iray dia niandry fahagagana izy nefa tsy tonga saina hoe IZY ihany ilay fahagagana nandrasany.
Ry namako, moa ve isika indraindray manantena fahagagana izay azontsika tanterahina amin’ny alalan’ny tenantsika ihany ? Izany no mahatonga ahy te hampahery anao anio : aza miandry intsony ny fahagagana izay mety ho ny tenanao ihany !
Hitan’Andriamanitra ny zavatra napetrany tao amin’i Gideona : ny hery entina miady, ny fahasahiana miatrika ireo fahavalony ary ny fandresena. Efa nomaniny ny fandresena. Nitsangana sisa …ary nandeha no nila nataon’i Gideona !
Hitan’Andriamanitra ihany koa izay napetrany tao aminao dia ny hery entina miady, ny fahasahiana miatrika ireo fahavalonao, ireo tahotrao sy ireo ahiahinao, ary koa ny fandresena… Ny fandresena dia efa nomaniny. Ny hany sisa mila hataonao dia ny mandroso, ka amin’izany dia hahita ny tenanao toy ny Fahitany anao ianao !
Niseho tamin’i Gideona ny anjelin’ny Tompo ka nanao taminy hoe : «Momba anao ny Tompo ry lehilahy mahery !» (Mpitsara 6:12). Toy izany ny fomba niarahabany an’i Gideona mialoha ny nahatsapan’ity farany ny heriny.
Fa i Gideona kosa mbola nanafina vary nanoloana ny Madianita. Mbola ny tahotra no nampiasa ny sainy kokoa noho ny iraka napetrak’Andriamanitra tao am-pony tamin’io fotoana io.
Ry namako, mialoha ny hanomboka ny tontolo andronao dia milazà amin’ny tenanao hoe : mahery ianao, mahery kokoa noho ny eritreretinao ! Tadidio fa « momba anao ny Tompo ! » (Mpitsara 6:12)
Ianao mahita ny fahalemenao fa Andriamanitra kosa mahita ny herinao satria mahita ny Tenany ao aminao Izy !