đź‘€ Tena mahita anao Andriamanitra

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź‘€ Tena mahita anao Andriamanitra

Aoka hahafaly antsika ny manana Andriamanitra mahita antsika, araka ny hitantsika ao amin’ny Genesisy 16:13  “Ary Hagara nanao ny anaran’i Jehovah, Izay niteny taminy hoe : Hianao no Andriamanitra Izay mahita;” fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian’ny fahitana ?”

Eny, te hanao TSARA HO ANAO Andriamanitra ! Noho izany dia zava-dehibe ny hanomananao ny fonao mba hahazo anjara amin’izany “tsara” izany. Ho hitantsika miaraka mandritry ny andro manaraka ny tena dikan’ny hoe hitan’Andriamanitra !

“Tsy mijery firy ahy intsony ny vadiko.”

Rehefa misy vehivavy na lehilahy maneho hevitra toy izao momba ny vadiny ao anatin’ny fanambadian’izy ireo dia mankarary ny foko. Isika rehetra dia mahafantatra ny fihetseham-pontsika rehefa mahatsiaro tsy raharahaina intsony…

Mazava ho azy fa marary izany… Fa hihena ny fanaintainanao raha miezaka hahatakatra ny tena marina ianao. Ary mamporisika anao aho anio, ry namako : “Ezaho takarina – eo amin’ny fiainanao dia mety misy zavatra sarobidy kokoa”!

Ny tena zava-dehibe dia tsy hoe hita ianao, fa iza no mahita anao !

Ary raha miady amin’ity fahatsapana ity ianao : “Tsy hita aho”, ilay afaka manao ny zava-drehetra dia liana ny aminao manontolo ! Ao amin’ny Testamenta Taloha, Genesisy 16.13 , dia voasoratra hoe :

“Hianao no Andriamanitra Izay mahita”.

Fanamafisana avy amin’Andriamanitra mihitsy izany !

Ary ao amin’ny Testamenta Vaovao dia hitantsika fa hoy i Jesosy hoe :

Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.” (Marka 9.23)

Manana Andriamanitra mahita anao ianao, izay tsy misy tsy hainy atao ary tena matoky anao Izy !

Ry namako, mahita anao Andriamanitra ! Eny, ianao ! Ary afaka manome anao izay rehetra ilaina handrosoanao Izy, na dia tsy miraharaha anao aza ny manodidina anao. Amim-pitiavana tanteraka, maniry  hameno anao amin’ny Fitahiany Izy, ny Heriny, ny fampihononana, ary amin’ny fifaliana tsy takatry ny saina !

Ny zava-dehibe dia ny hibanjinanao Azy mandrakariva, tsy miherikerika mihitsy na dia diso fanantenana aza ianao indraindray ka aleonao hitan’ny ireo olona manan-danja aminao.

Aza adino fa, tahaka ny fanirianao mba ho hitan’ireo olona tianao, no fanirian’Andriamanitra mba hiheveranao Azy koa ! Eny, tena tia anao Izy !

Andriamanitra tia anao ry namako, ary mahita anao Izy amin’izao fotoana izao…

…Afaka miato kely ve ianao anio, mba hijery Azy ?

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!