đ¸ Inona avy no manodidina anao ?
Inona no fiantraikanâny fanehoan-kevitry ny olona manodidina anao eo aminao?
Fantatrao ve ny tantara momba anâireo sahona kely telo ? Nihazakazaka lavidavitra izy telo mba hijery izay ho tonga voalohany eny an-tamponâilay tendrombohitra. Nisy sahona maromaro ihany koa nanaraka teny an-dalana mba hijery ny hazakazakâizy ireo. Tsy nisy nahatoky ireo sahona telo hahavita hatraminâny farany anefa izy rehetra ka tsy nitsahatra nanao teny fanesoana sy fahakiviana azy telo. Nandeha ny hazakazaka, ary nanomboka sahirana teo aminâny fiakarana ireto sahona telo. Ny iray taminâireo sahona dia niala an-daharana teny am-povoanâny hazakazaka, reraka tanteraka. Minitra vitsy taty aoriana dia nijanona koa ilay sahona faharoa fa ilay fahatelo dia tsy nijanona intsony. Ary na dia teo aza ny fanakiviana sy ny fanesoana nataonâireo mpijery dia tonga teny an-tamponâny tendrombohitra ihany izy. Gaga ny rehetra nony nahafantatra fa marenina ilay sahona nandresy.
Eny ry namako, ny olona manodidina antsika dia afaka mitaona antsika aminâny soa na aminâny ratsy, fa ny hany hampandroso antsika dia ny fananantsika finoana mijoro tsara. Izany no niainanâilay jamba rehefa nandre izy fa mandalo Jesosy. Niantsoantso anâi Jesosy izy sady nihiaka mafy araka ny Baiboly. ÂŤ Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanakâi Davida Ă´, mamindrĂ fo amiko. Âť (Lioka 18 :39)
Izany fanapaha-keviny izany no nitarika azy tsy hiraharaha izay nolazainâny olona ary namela azy hihaona taminâi Jesosy, izay nanova ny fiainany ho mandrakizay. Ireo tabatabanâ ny maro no nanokatra ny varavarana ho anâny fahagaganâAndriamanitra !
Andao hiara-hivavaka isika: ÂŤ Tompo o, mivavaka izahay mba hanomezanao anay ilay fahavononana azo avy aminâny finoana. Ampio izahay hifikitra aminao ary hangataka aminâny fahatokiana feno fa hiaina fahagagana izay hanova ny fiainanay ho mandrakizay izahay. Misaotra ny aminâizay ataonao eo aminâny fiainanay ! Aminâny anaranâi Jesosy. Amen ! Âť