šŸ£Olon’afaka ve ianao ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | šŸ£Olon’afaka ve ianao ?

Resahina betsaka ny momba ny fahafahana amin’ny izao androntsika izao, indrindra fa amin’ny fampitam-baovao, fa inona tokoa moa ny atao hoe fahafahana ?
Maro ny olona mieritreritra fa ny fahafahana dia fahazoana manao izay tiana, na zavatra tsara izany na ratsy tsy misy famerana. Ny olona hafa indray mihevitra fa ny fananam-bola no fahafahana, na ihany koa ny fanarahana ny hika faran’ny fironan’izao tontolo izao.
Marina fa, mety manome fahatsapana hoe olona tsy manana fahafahana ny kristianina, voafehy ao anatina lalĆ na, raha toa ka ny olon’izao tontolo izao, faly manao izay tiany. Izany no sary tian’ny fahavalo atao eo amin’ny fiaraha-monina, kanefa io sary io dia mamitaka tanteraka. Araka izay lazain’ny Baiboly :“fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalotoana; efa izay maharesy ny olona dia mahandevo avy.” (2 Petera 2:19).
Jesosy mihitsy no miteny : “Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo” (Jaona 8:36). Ny fahavalo dia miezaka ny hanandevo sy hampitondra zioga antsika amin’ny alalan’ny fahotana, fa tonga ny fotoana izay hamahana ny fatorana rehetra amin’ny fiainantsika, ry namako ! Jesosy efa nanonitra tamin’ny alalan’ny rĆ ny, ny fahafahanao amin’ny fangejan’ny fahavalo mba ahafahanao miaina amin’ny fahafana tena lafatra.
Entintsika handalinana ny fahafahana izay nomen’i jesosy, dia omeko fanalahidy hahafahanao mamaha tanteraka ny geja izay mety mbola misy eo amin’ny fiainanao ianao. Vonona ve ianao ?
Hiaraka hivavaka isika : “Tompo o, misaotra ny amin’ny fahafahana sarobidy izay omenao, ary satria ao Aminao dia mihoatra noho ny mpandresy izahay. Ampio aho hiaino ny feonao amin’ny alalan’ireny hafatra ireny ary mba ho afaka tanteraka amin’ny fanandevozana eo amin’ny fiainako. Misaotra ny amin’izay efa ataonao eo amin’ny fiainako, sy amin’izay mbola ho ataonao ami’ny andro manaraka. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!