đMahery noho ny eritreretinao ianao !
Oviana ianao no nahita « cirque » farany? Ilay toerana feno bibidia efa nampiofanina sy olona maro manana fahaiza-manao mahavariana.
Indray mandeha aho dia naheno fa tao aminâny cirque iray dia nanana fahazarana mamatotra ny elefantany taminâny rojo vy sy hazo kely izy ireo mba tsy handosirany. Ny zavatra azo antoka dia raha ny tanjaky ny elefanta dia vitany ny manapaka ilay rojo sy hazo kely aminâny fihetsika kely fotsiny. Tsy nanao izany mihitsy anefa izy, ary nisy antony izany. Raha nanontaniana ireo mpanazatra azy dia izao no fanazavana azo : fony mbola kely ilay elefanta dia nofatorana rojo taminâny andrin-jiro izy aminâny alina mba tsy ho afa-mandositra. Mbola niezaka nanafaka ny tenany ihany ilay elefanta kely, saingy rehefa nandeha ny andro, hitany fa tsy vitany ny nanapaka ny rojo, dia nanaiky ihany izy fa tsy misy azony atao. Izany no nahatonga azy tsy hiady intsony. Ary aminâizao fotoana izao, na dia biby goavam-be aza izy, nomena hery tsy manam-paharoa, dia mijanona mifikitra mafy aminâio hazo kely io foana izy.
Ry namako, matetika isika dia mahatsiaro voageja rojo izay heverintsika fa tsy mety ho tapaka intsony aminâny fiainantsika. Saingy manana vaovao tsara ho anao aho anio : miaraka aminao ny Tompo ary ny Baiboly dia milaza fa « izay itoeranâny Fanahinâny Tompo no itoeranâny fahafahana » (II Korintiana 3 :17) Te hanome anao fahafahana tanteraka Andriamanitra !
Ry namako, mahery noho ny eritreritrao ianao. Mahery ianao, aminâny alalanâny Fanahy Masina, handrava ny lainga napetraky ny fahavalo teo aminâny fiainanao nandritry ny taona maro. Azonao tapahina ihany koa ny rojo vy izay nihazona anao ho babo hatry ny ela. Hiara-hivavaka isika : « Tompo ĂŽ, ampio aho hahita ny zava-drehetra aminâny masonao, mba hahafahako manafaka ny tenako aminâireo gadra rehetra mbola eo aminâny fiainako. Tariho isanâandro aho mba hahafahako manafoana ireo lainga nambolenâny fahavalo an-kolaka ato anatiko, ary mba hifaliako bebe kokoa hatrany aminâny fahafahana efa nomaninao ho ahy, ry Andriamanitro o. Misaotra ny aminâny zavatra ataonao aminâny fiainako! Aminâny anaranâi Jesosy. Amen !
Anio, ankafizo tanteraka ny fahafahana nomeny.