đ´ââ ď¸ Tandremo ! Tena poizina izany !
Efa niaina fanaratsiana ve ianao indraindray? Amin’ny maha-olombelona antsika dia manana fahazarana mifosa sy mitsikera olona ary mitaraina momba ny zavatra sy ny olona izay tsy mifanaraka aminâny saintsika isika.
Mety hihevitra isika fa ara-dalĂ na ny fifosana ka tsy misy maharatsy izany loatra⌠Fa raha ny marina, dia poizina ho anâny fanahintsika izany ka mamoaka ny ratsy indrindra ao anatintsika sy ao aminâny hafa, fitaovana iray ampiasainâny aizina.
Imbetsaka i Paoly no nanonona izany niaraka taminâny fahotana lehibe hafa, toy ny taminâizy nilaza taminâny fiangonanâi Korinto hoe: â Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo ; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana Âť (2 Korintiana 12:20).
Tsy fantatro hoe hatraiza ny fiantraikanâny fanaratsiana eo aminao, kanefa azonao an-tsaina ve ny hitranga raha toa ka, aminâny resaka ataontsika dia zavatra tsara, feno hazavana sy fitahiana ihany no lazaina? Ho Voninahiny izany =) Ho tsara ho anao sy ho an’ny hafa izany!
Eny, ry namako, izao no fotoana tokony hitenenantsika teny fiainana sy fitahiana fotsiny! Ary rehefa mila miresaka foto-kevitra sarotra aminâny hafa isika, dia aoka isika hanao izany aminâny fitiavanâAndriamanitra sy am-pahendrena, mba hampandrosoana.
Ho hitantsika mandritra ity herinandro ity izay mety ho fototry ny fanaratsiana eo aminâny fiainantsika,ary hozaraiko amintsika ireo fanalahidy izay hanampy antsika hanafaka tanteraka ny tenantsika aminâizany. Hahatsiaro ho afaka tokoa ianao aorian’izany! =D
Taratry ny voninahitrâAndriamanitra ianao ry namako.