🏰 Ravao daholo izy rehetra!
Fantatrao ve fa Andriamanitra dia Fiarovana mafy? Manome hery vaovao ho antsika Izy, fa koa sady tahaka ny trano mimanda mafy orina, fiarovana mafy ahafahantsika mialoka.
Ny Salamo 27 dia milaza fa : “Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?” (Salamo 27 : 1). Eny, Andriamanitra no fiarovana mafy miaro anao! Mahazo matoky ianao fa mandry am-pahalemana ao Aminy.
Ny fahavalo koa etsy andaniny dia miezaka manorina fiarovana mafy ao an-tsainao. Tsy tahaka ny an’Andriamanitra ny azy : voaorina amin’ny lainga sy fitaka ny azy, ary ny tanjony dia ny hifehy sy hanjakazaka ny fiainanao, mba hahatonga anao ho andevon’ny ota.
Ezaho faritana hoe ireo karazana fiarovana mafy amin’ny fiainanao? Mahatsiaro tena ho ambany na tsy milamina ve ianao? Mahatsapa fa tsy hahatratra mihitsy izay tanjona napetraka na hoe tsy mahomby amin’izay atao?
Izao no voalazan’ny Baiboly :”Fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy, fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay…”, (II Korintiana 10 : 4 – 5). Nanome fahefana handrava ireo lainga rehetra misy eo amin’ny fiainanao Andriamanitra! Mahery vaika ireo fiadiany : ny vavaka, ny fiadanana, ny Tenin’Andriamanitra !
Ry namako, anio no fotoana handravana ireo fiarovana mafin’ny haizina. Ankehitriny, mitomboa hery ao amin’ny Tompo, ary noho ny amin’ireo Teniny fahamarinana, ravao avokoa izay lainga rehetra manandevo anao. Dia ho hitanao tsikelikely eo fa ho voavaha amin’ny fatotra rehetra ianao.
Anio, mitomboa hery ao amin’ny Tompo