🏕 Fa nahoana no miafina ianao ?
Efa nanandrana niafina ve ianao, niery ?
Tamin’ny fanjakan’i Kyrosy, ireo mpanjaka mpisolo toerana sy ny governora dia nitsiriritra an’i Daniela ary nitady izay ahafaty azy, mba ahazoana rariny amin’ny mpanjaka.
Namolavola tetika, araka izany, izy ireo mba hamandrihana an’i Daniela. Nandresy lahatra ny mpanjaka izy ireo mba hanao sonia didim-panjakana izay mandrara, na olona iza na olona iza, tsy hivavaka amina andriamanitra na olona ankoatry ny mpanjaka irery ihany.
Ny Baiboly milaza hoe : “Nony fantatr’i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin’ny tranony ambony nanandrify an’i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan’andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin’ny taloha izany.” (Daniela 6:11).
Ny zava-mahatahotra izay natrehin’i Daniela dia tsy nanosika azy ihezaka hiafina gdhfhfna hanafina ny finoany. Mifanohitra amin’izay aza : nanohy naka fotoana nahafahany nifandray lalina tamin’Andriamanitra, miaraka amin’ny varavarakely tena misokatra tsara izy!
Ny fahavalo dia miezaka mampangina antsika amin’ny alalan’ny tahotra. Mandresy lahatra antsika mba “tsy hiditra ao anaty olana”, amin’ny fahatahorana izay mety hanjo antsika. Noho izay antony izay , dia tsy afaka manatanteraka izay lazain’Andriamanitra amintsika isika, ary, tsy ahita ny voninahiny miseho eo amin’ny fiainantsika.
Kanefa kosa, rehefa nijanona ho be herim-po sy feno fahasahiana, dia zavatra roa lehibe no nitranga teo amin’ny fiainan’i Daniela :
- Natsipy tao an-davaky ny liona izy. Eny, tena marina izany, namely mafy azy ny herin’ny haizina. Kanefa…
- Narovan’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga izy, ary dia nipaka tamin’ny fanjakana Persa rehetra izany, nanomboka tamin’ny mpanjaka Cyrus.
Ry namako, tsy noforonina mba hiafina ianao. Any anaty taranja inona no tena ahitanao hoe manao ankiafina ianao ? Araka ny fahitanao azy, nahoana no manao izany ianao ? Izaho ihany koa manko dia manao toa izany indraindray, ary tena leo aho. Sitrakao ve, ny hiaraka amiko, handray fanapahan-kevitra ny anajanonana izany ?