🏆 Volamena mangarahara?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🏆 Volamena mangarahara?

Tiako ny hamarana ity andiany ity amin’ny fandinihana miaraka aminao momba ny toerana tena isehoan’ny fahadiovana: ny paradisa.
Rehefa nilazalaza ny fahitana azony momba ny ampahany amin’ny Lanitra ny apostoly Jaona, dia nilaza fa “Ary ny manda dia vato jaspy ; ary tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio. Ary ny fanorenan’ny màndan’ny tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra. […] “Ary tsy nahita tempoly teo aho ; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak’ondry no tempoliny. Ny tanàna tsy mba mila masoandro na ny volana hamirapiratra aminy ; fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy, ary ny Zanak’ondry no fanazavana azy.” (Apokalypsy 21:18-19; 22-23).
Waouh! Ny fahadiovan’ny Lanitra dia tena mahatalanjona ka na dia ny volamena aza dia madio mangarahara. Mameno ny lanitra ny voninahitr’Andriamanitra. Ary, ao amin’ny fahazavany, dia tsy misy toerana ho an’ny haizina. Tena mahafinaritra!
Izany no toetran’Andriamanitra: mangarahara sy tena izy ary marina Izy. Izy no mazava ary tsy misy haizina ao Aminy (1 Jaona 1:5). Toy izany koa, tsy tokony hisy haizina ao anatintsika.
Azonao sary an-tsaina ve hoe hanao ahoana rehefa tonga any ianao? Inona araka ny eritreritrao no tsy hitovizanao amin’izany sy ianao ankehitriny? Ao amin’io toerana io dia hisy fifaliana feno, voninahitra, fitiavana, fitahiana… ary tsy hisy intsony ny tahotra, ny fanamelohana, ny fahatsapana ho ambany, ny fialonana, ny zavatra rehetra tsy madio.
Raha io no toerana handanianao ny mandrakizay, tsy hitanao ve hoe tsara kokoa ny manomboka miomana amin’izany dieny izao?
Eny, ry namako, atombohy amin’ny fiainanao anio tahaka izay ho ataonao rehefa any an-danitra! Avelao ny Fanjakan’Andriamanitra hiseho eo amin’ny fiainanao, ary hiparitaka amin’ny alalanao, mandritra ity andro anio ity.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!