đNanao fanatanjahan-tena ve ianao androany ?
Manao fanatanjahan-tena ve ianao ao an-trano ? Nandritra ny fotoana fihibohana dia olona maro no hita nanao fanatanjahan-tena tao aminâny trano fonenany.
Izaho manokana dia efa an-taonany maro izao no manao izany ato an-trano. Tiako ny manao fanatanjahan-tena ato an-trano satria hahafahako mifantoka sy mieritreritra rehefa mihetsika ny vatako. Ohatra ny omaly izao , sady mihaino hira fiderana aho no mikotrana. Misaina ireo asa sarobidy izay hataonâAndriamanitra sy izay mbola ho hataony eo aminâny fiainako aho mandritry izany fotoana izany. Azoko sary an-tsaina fa olona anâarivony no novainâAndriamanitra, fiangonana maro no nitsangana, kristianina maro no nahazo hery sy voavoatra⊠Faly loatra aho ka nanomboka nandihy sy nihikam-pifaliana no sady nisaotra anâAndriamanitra mafy ny aminâizay mbola ho tanterahiny !
TianâAndriamanitra ny fiderana toy izany. Raha ny marina, rehefa niditra tao Jerosalema i Jesosy, dia voalaza fa maro ny olona no « naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakanâny Isiraely, Ilay avy aminâny anaranâi Jehovah » (Jaona 12 :13). Fotoana feno voninahitra izany ! Nihoby sy nidera anâAndriamanitra tamin-kafaliana ny vahoaka no sady nitondra sampan-drofia napetraka teo an-tongotrâi Jesosy, toy ny natao taminâizany andro izany, mba hanomezam-boninahitra ny mpanjaka. Fotoana lehibe tokoa izany ary rehefa niezaka niampanga anâ i Jesosy ny Fariseo satria tsy voafehy ny vahoaka dia hoy Izy namaly azy ireo : « Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso. » (Lioka 19 :40)
Ry namako, aza avela ny vato no hiantsoantso anâAndriamanitra anio ! Fa aminâny fontsika manontolo no aoka hanandratantsika vavaka feno fiderana sy fifaliana. Andeha isika hibanjina ilay Mpanjakanâny mpanjaka sy ny Tomponâny tompo, Ilay namonjy antsika sy miasa mahery eo aminâny fiainantsika.
Tonga aminâny famaranana ny lohahevitra mikasika ny fomba famoahana ny herinâny vavaka isika. Antenaiko fa nitondra fitahiana lehibe ho anao izany !
Ato am-poko manokana ianao.