🎵 Mahay mihira Andriamanitra!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🎵 Mahay mihira Andriamanitra!

Tadidinao ve hoe nihira ho anao ny ray aman-dreninao fony ianao mbola zazakely? Mety tsy nisy angamba. Aza matahotra ianao, fa izaho ihany koa tsy mahatadidy =)
Voalaza fa manana hery hampitony ireo biby masiaka indrindra ny mozika. Ary tsy isalasalana fa balsama ho an’ny fiainantsika izany indraindray rehefa manafika antsika tsy an-kijanona iny ny fanahiana sy ny fitaintainana.
Ry namako, mila olona hihira ho anao ve ianao anio? Ahoana raha milaza aminao aho fa Andriamanitra no hihira ho anao?
Izao no lazain’ny mpanao Salamo amin’Andriamanitra : “Ianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ny fahoriana Ianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.” (Salamo 32:7).

  • Andriamanitra no fialofanao.
  • Miaro anao sy manafaka anao amin’ny fanahiana Izy.
  • Hodidininy hira ianao, hira mikalo ny fiainanao.
  • Ireo hira ireo dia manambara fa efa afaka ianao, ny fandresenao ao Aminy.
  • Tsara loatra e!

Ry namako, aza avela hijanona iray segondra eo amin’ny fiainanao ny fanahiana! Manatona mialoka eo amban’ny sandrin’ny Rainao any an-danitra ankehitriny, fa maniry ny hamelombelona anao Izy.
Ankafizo ny fanatrehany mandritra ity tontolo andro ity.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!