🎯 Manan-danja ny teninao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🎯 Manan-danja ny teninao !

Indraindray isika manao fanamarihana tsy am-piheverana amin’ny hafa. Amin’ireny fotoana ireny dia tsy tsapantsika ny fiantraikan’ny teny notononintsika tamin’izy ireo.
Tsaroako fony aho zatovo dia nisy “psoriasis” aho. Aretina amin’ny hoditra izy io, izay niendrika pentina mena teo amin’ny kihoko sy ny tanako. Tena tsy nahafinaritra mihitsy ny niaina izany. Saingy misaotra an’Andriamanitra fa nanjavona izany fotoana fohy taty aoriana.
Mbola tadidiko anefa ny fihetsiky ny iray tamin’ireo namako tao am-piangonana, rehefa nahita ny tasy mena teo amin’ny sandriko izy. Nandratra ahy ny teniny. Tamin’ny feo somary hentitra sy tamin-drikoriko no nilazany hoe : “Heurk ! Toa mihalo ianao izany…”
Azo antoka fa nananihany izy ! Saingy na dia teo aza ireo taona maro nifaneraseranay dia fantaro hoe inona no tonga ato an-tsaiko voalohany rehefa mahatsiaro azy aho : eny, io fanamarihana tsotra io no anisan’ny tena tadidiko.
Nandritra ny fotoana samihafa namparary ahy dia nitohy niverimberina tao an-tsaiko ireo teny ireo. Namela fahatsapana tsinahy tato amiko, toy ny hoe nisy zavatra tsy nety tao anatiko lalina tao.
Niantraika tamiko ireo teniny ireo ary nanokatra varavarana ho an’ny tahotra sy karazana tsoa-kevi-diso maro teo amin’ny fiainako. Ary ny tena loza, dia tsy nieritreritra ny handratra ahy io namako io raha nilaza izany.
Noho izany, resy lahatra aho fa na izaho koa aza tsy maintsy efa nanao fahadisoana toy izany imbetsaka. Indrisy, nandritra ny fiainako manontolo dia azo antoka fa nandratra olona hafa ny sasany tamin’ireo fanamarihana tsy voahevitra nataoko.
Tena matotra izany, Jesosy mihitsy aza no nampitandrina antsika fa tompon’andraikitra amin’ireo fanamarihana tsy voahevitra ataontsika isika. (Matio 12:36). Milaza ny Baiboly fa avy amin’ny vavantsika no « ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany. Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ny vavany iray ihany ? Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’oliva, na ny voaloboka mamoa voan’aviavy ? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan’ny mamy. Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka asehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena. » (Jakoba 3.10-13)
Ry namako, mivavaka aho mba ho tenim-pitahiana hatrany no hikoriana avy amin’ny loharanon’ny vavanao ! Androany, raiso ny fanapahan-kevitra marina tsy hanao fanamarihana mety handratra ny hafa. Mety ho tonga ozona ho azy ireny izany. Ho teny malefaka anie ny teninao ka hanafaka ny hetahetan’ny manodidina anao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!