🎧 Tsy mozika fotsiny …..

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🎧 Tsy mozika fotsiny …..

Rehefa mieritreritra ny teny hoe “Fiderana” ianao, inona no hevitra voalohany tonga ao an-tsainao?
Ny sary tonga ao an-tsaina dia mety ho olona manangana tanana ao amin’ny fiangonana iray ary mihira miaraka amin’ny ireo mpitendry.
Na koa, io teny io dia mampahatsiahy sarin’olona mitendry gitara moramora mandritra ny fotoam-bavaka, na koa kianja feno hipoka mandritran’ny fampisehoana kristiana iray.
Samy manana ny heviny momba ny atao hoe fiderana isika rehetra, saingy zavatra iray no tena ilaina : mihoatra lavitra noho ny mozika izany.
Eny, ny fiderana an’Andriamanitra dia mihoatra lavitra noho ny hira hiraintsika any am-piangonana rehefa alahady, na ny fijerena horonan-tsary ao amin’ny Youtube.
Fomba fiaina izany, izay ahafahantsika mifandray lalindalina kokoa amin’Andriamanitra.
Izao no lazain’ny Baiboly: “Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.” ( Hebreo 13:15 ). Jereo izay lazain’ity andalana ity:

  • Atolotra ho an’Andriamanitra : Izany no azontsika atolotra sy omena ho an’Andriamanitra.
  • Mandrakariva : amin’ny fotoana rehetra, amin’ny toe-javatra rehetra
  • Fanati-piderana : Sorona izany, fanatitra sitrak’Andriamanitra.
  • Ny vokatry ny molotra : Izay mivoaka avy ao am-pontsika no ambarantsika.
  • Izay manaiky ny Anarany : izay manambara ny hery sy ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.

Ry namako, noforonina hidera an’Andriamanitra ianao, hidera ny Anarany! Mandritra ity herinandro ity dia handalina misimisy kokoa ity lohahevitra ity isika, ary hozaraiko aminao ny fanalahidy 7 hanampy anao hidera an’Andriamanitra lalindalina kokoa. Vonona ve ianao ?

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!