đ„ Areheto ny Jiro, âcamĂ©raâ, ⊠Alefa !
Andriamanitra dia Andriamanitry ny asa. Tiany ny miresaka amintsika ao aminâny ati-lalinâny fontsika, ny mamporisika antsika hitsahatra eo aminâny Fanatrehany ka hatoky Azy. Eo andaninâizay dia mankahery antsika lalandava Izy mba hanetsika ny finoantsika sy handray fanapahan-kevitra mampandroso hatrany.
Mihevitra ho mahalala zava-boajanahary sy zava-panahy maro isika, saingy rehefa ampiharintsika izy ireny vao tena fantatsika marina. Nanao izany fahadisoana izany inâarivony aho teo aminâny fiainako, isanâizany ny fotoana nijereko andiany 4 taminâny Masterchef (fifaninanana iray momba ny sakafo nandeha taminâny fahitalavitra). Nieritreritra aho hoe nanampy ahy taminâny fianarana nahandro ny zavatra hitako, saingy tsy izany mihitsy no izy. Rehefa nikasa ny hahandro aho, dia tonga saina fa tsy nahay. Raha ny marina dia na ny fanapahana tongolo aza nojereko taminâny Youtube ! =) Tsy nisy nilako ireo fahalalana akory satria tsy ampy fampiharana aho.
Ry namako, anio ny andro andraisana andraikitra. Raha mahatsiaro ketraka noho ny henatra ianao, raha mihevitra ho nanota loatra na koa saro-kenatra loatra ny milaza ny hevitrao, dia ândao anio hiatrika ireo olana ireo ka hanomboka hanova ny fiainanao.
Hoy ny Baiboly : « Koa hatanjaho ny tĂ nana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova lĂ la-mahitsy halehan’ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa » (Hebreo 12 :12-13).
Andriamanitra dia tena mitady fahombiazana ary tiany ho toy izany koa ianao. Anio, mitsangĂ na ary ahitsio izay tsy tomombana taminâny fiainanao. Ho hitanao eo ny fahagagana ataonâAndriamanitra eo aminâny fiainanao !
Ario eo an-tongony ny henatra rehetra, ny fiampangana rehetra sy ny fanamelohana rehetra, ary aoka ho feno ny Fiadanany sy ny Fitahiany ianao.
Manoatra noho ny mpandresy ianao ao aminâi Kritsy.