🎉 Manana zavatra hankalazaina ianao !
Oviana no nisy olona nanafintohina anao farany ? Tsy haiko na mitovy amiko ianao, fa misy olona tena tsy zakako tsotra izao ny toetrany.
Rehefa mandroso mankany amin’ny tanjona iray isika, dia maro ny sakana manakana antsika. Ny iray amin’ireo mahazatra indrindra, ary iray amin’ireo manan-danja indrindra, dia misy ifandraisany amin’ny fitondran-tenantsika amin’ny hafa. Isika olombelona mazĂ na dia manana toetra tia mitsara, manambany, miady hevitra, mora tezitra… fa ny Fanahin’Andriamanitra izay mitoetra ao anatintsika dia mitarika antsika hahita ny olona amin’ny fomba fijery hafa.
Eny, tena sarobidy amin’Andriamanitra ny olona mampahatezitra anao. Mazava ho azy fa manana ny fahalemeny izy, saingy ny azo antoka dia mila fanampiana izy, ary Andriamanitra dia te-hanao izany amin’ny alalanao. Eny, amin’ny alalanao ! =)
Eritrereto kely izao : maninona raha ny toetra tsara hitanao amin’io olona io no jerena, fa tsy mifantoka amin’ny ratsy fotsiny ? Maninona raha misaotra an’Andriamanitra noho ny amin’ny fisiany eo amin’ny fiainanao, fa tsy ny hanamaivana azy ?
Hoy ny Baiboly : “Miezaha hihavana amin’ny olona rehetra ary hanana fiainana masina; fa raha tsy izany dia tsy hisy aminareo hahita ny Tompo.” (Hebreo 12:14 ).
Izay rehetra avy amin’Andriamanitra dia masina sy madio ary feno fiadanana. Rehefa mampihatra ireo fitsipika ireo eo amin’ny fifandraisantsika isika dia afaka mihevitra ny fifaneraserana rehetra amin’ny hafa ho toy ny fahafahana handray ny Fiadanany, ny Fitahiany, ary ho vavolombelon’ny fiasan’ny Tompo eo amin’ny fiainan’ny hafa mihitsy aza, amin’ny alalantsika. Hanova ny zavatra rehetra izany !
Ry namako, esory ny toe-tsaina ratsy, ary aoka ny fiadanany handrakotra ny fifandraisanao rehetra !
Izany dia hisoroka anao tsy ho latsaka an-davaka eny am-pandehanana, ary ho afaka handroso haingana kokoa mankany amin’ny tanjonao, ary mitahy ireo izay hitanao eny am-pandehanana.
Fantatro fa vitanao izany !