🎉 Mahazo tombony foana ianao na inona miseho !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🎉 Mahazo tombony foana ianao na inona miseho !

Araka ny hitantsika nandritra ity herinandro ity, dia te hameno antsika amin’ny fiadanana ny Tompo amin’ny toe-javatra rehetra. Fa fantatrao koa ve fa te handraraka izany Fiadanany izany ihany koa Andriamanitra, amin’ireo olona manodidina anao, amin’ny alalanao?

Jereo ny nataon’i Jesosy tamin’ireo mpianany, tamin’ny nanirahany azy ireo hitory teo amin’ny tanana manodidina : “ Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity. Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany.” (Lioka 10.5-6).

Rehefa manam-paniriana ny hitahy ireo olona manodidina antsika isika dia afaka ny hahatsapa ilay fiadanana misy eo amin’ny fiainantsika izy ireo ary afaka misitraka izany ihany koa.

Mety ho tonga balsama hitahiana amin-kery ny fiainan’izy ireo ny fiadanantsika sy ny Fanatrehan’Andriamanitra ao anatintsika. Fa ny tena mahafinaritra dia raha misafidy ny handa sy hanafika antsika aza izy ireo, dia tsy maninona izany : mitoetra ao anatintsika foana ny fiadanantsika!

Ry namako, zarao amin’ny manodidina anao ny fiadananao. Aza kivy raha tsy azony izany : zarao fotsiny, meteza ho tsara fanahy ary mitoera feno ny Fitiavany.

Ary raha mbola mamaly ratsy ny soa ataonao izy dia aza manahy : miasa eo amin’ny fiainan’izy ireo Andriamanitra, ary ny fihetsikao feno fitiavana sy fiadanana amin’izy ireo dia manana hery lehibe mihoatra ny saininao. Mampiasa izany izy hamotehana tsikelikely ny asan’ny aizina eo amin’ny fiainan’izy ireo, mba hanalefaka ny fony.

Noho izany, zarao ny Fiadanany amin’ny olona rehetra. Ary raha tsy mety mandray izy ireo, dia ianao ihany no handray soa amin’izany! Na inona mitranga dia mahazo tombony ianao 😉

Hamiratra foana eo amin’ny fiainanao anie ny Fiadanan’ny Tompo.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!