🎉 Fandresena kely sy lehibe!
Mivavaka aho mba ho hitanao mandritra ity herinandro ity ny paikadin’ilay ratsy mitetika ny hampatahotra anao ary hiaina fahalalahana bebe kokoa hatrany ianao.
Iray amin’ireo fanalahidin’ny fandresena ireo Goliatantsika (ireo miseho ho lehibe eo amin’ny fiainantsika) ny mijanona ho mahatoky an’Andriamanitra, isan’andro isan’andro, hatramin’ny zavatra madinika indrindra.
Raha ny marina, rehefa nahita an’i Davida izay nentina teo aminy i Saoly, dia tsy namela azy handeha hiady amin’i Goliata, satria raha eo imasony dia mbola zaza i Davida. Na teo ary izany dia notantarain’i Davida taminy ihany ny ady rehetra efa nahazoany fandresena nandritra ny androm-piainany tamin’izy mpiandry ondry.
Izao no nolazain’i Davida taminy: “Ny mpanomponao dia niandry ny ondrin’ny rainy ary nisy liona sy bera tonga tao ka naka zanak’ondry teo amin’ny andian’ondry: dia nanenjika azy aho ka namely azy ary azoko teny am-bavany ilay zanak’ondry : nony handramatra ahy izy dia nohazoniko tamin’ny somony ary nasiako ka matiko.” ( 1 Samoela 17:34-35 ).
Tsy mampino ny herim-po nananany niady tamin’ny liona sy ny bera !
Azo antoka fa fony nanomboka ny asany amin’ny maha-mpiandry ondry azy i Davida dia nifanena tamin’ny amboadia na ireny biby mpiremby ireny. Nianatra nifanandrina tamin’izy ireo izy, ary nandresy azy ireo.
Nanamafy ny fitokisany an’Andriamanitra izany, hany ka rehefa nifanena voalohany tamin’ny liona izy, dia afaka nanafika azy toy ny nataony tamin’ny amboadia tany aloha. Dia nanao toy izany koa izy tamin’ny ady voalohany nataony tamin’ny bera, nampiasainy ny traikefany rehetra mba handresena azy.
Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa fahazarana ny famonoana liona sy ny bera, izay nanamarika ny toetrany. Lasa lehilahy tsy natahotra sy tsy azo ihodivirana i Davida eo anivon’ny fotoan-tsarotra. Mifanohitra amin’izany indrindra aza, vonona hiatrika ny zava-tsarotra rehetra amin-kerim-po izy.
Izany rehetra izany dia nanomboka tamin’ny dingana kely ny finoana. Ary ireo dingana voalohan’ny finoana ireo indrindra no tsy maintsy ataontsika sy ianao anio, ry namako.
Hoy ny Baiboly: “Izay mahatoky amin’ny zava-madinika dia mahatoky koa amin’ny zava-dehibe.” ( Lioka 16:10 ).
Inona no fanapahan-kevitra azonao raisina anio mba hanampy anao hahazo fandresena kely amin’ny lafin-javatra izay mampatahotra anao? Angataho Andriamanitra hanambara aminao izay tokony hataonao, ary miorena tsara amin’izany fanapahan-kevitra izany manomboka izao.
Manomboha manao dingana kely amin’ny finoana, ary miomĂ na, satria tsy ho ela dia handresy ny Goliata amin’ny fiainanao ianao.
Mino aho fa hahazo fandresena lehibe ianao!