🎉 Aiza ianao no hipetraka ?
Alaivo sary an-tsaina hoe voaasa amina fampakaram-bady ianao ka tonga ny fotoana hakana toerana amin’ny lanonana. Azo antoka fa tsy handeha hipetraka eny anoloana eny amin’ny toerana voatokana ho an’ny fianakaviana ianao e ? Raha manao izany ianao dia mety hisy olona ho avy hamindra toerana anao.
Jesosy dia mamaritra io toe-javatra io ao anatin’ity andalana ity : « Raha misy maka anao ho any amin’ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin’ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho hianao, ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io; dia ho menatra hianao ka hifindra ho any amin’ny fitoerana aoriana indrindra » (Lioka 14:8-9).
Ny avonavona sy ny fitia te ho hita dia mitarika antsika mandrakariva handray fanapahan-kevi-diso. Ny fanetren-tena amboarina dia poizina mitovy amin’izany ihany koa…mba tsy ilazana hoe loza kokoa. Endrika avonavona afenina anaty fanetren-tena ivelany fotsiny ihany mantsy izany.
Jesosy dia tsy nangataka antsika hipetraka any aoriana mba ho tsara eo imason’olona fotsiny nefa sady manantena ao anaty ihany hoe hisy olona ho avy hampandroso antsika avy eo =) Tsia ! Ny zavatra asain’i Jesosy ataontsika dia ny tsy fifantohantsika amin’ny endrika ivelany fa ny fijoroana ho tena marina. Tsy maninona izay toerana ipetrahanao : ny zava-dehibe dia ny fahatongavanao ary koa fanaovanao ny zavatra rehetra amin’ny fonao madio.
Ry namako, ialao ny fihatsarambelatsihy ary ankafizo ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainanao ! Ny tena fanetren-tena marina dia manampy antsika hifantoka amin’izay zava-manan-danja ary indrindra amin’izay Olona manan-danja. Afantohy amin’i Jesosy ny masonao mba ahafahanao misoroka ireo toetra feno avonavona izay mitondra henatra ho anao amin’ny farany.
Ato am-poko ianao.