đ Misy fanomezana ho anaoâŠ
Raha aminao, inona no tena herinâny zaza? Mazava ho azy tsy ny heriny ara-batana satria ireo vatany kely dia mbola andalam-pitomboana hatranyâŠ
Tsy ny fananarana koa satrtia ny ankizy dia tsy dia mankatoa arakâizay iriantsika. Tsy ny faharetana koa =) Fa amiko dia ny fifaliana no tena herinâny ankizy ary tena mifindra izy io.
Matetika dia manakana antsika tsy hankafy ny anio ny vesatry ny lasa na ny fanahiana ny ho avy. Manaisotra ny tsikintsika ireny ary manakivy antsikaâŠfa ny ankizy kosa dia mankafy ny tontolo andro satria misafidy ny hiaina ny anio izy.
Ny zanakâIsraely dia niverina indray taminâAndriamanitra ary nitoloko taminâny fahadisoany taloha. Nasainâi Nehemia nanao andro fety izy ireo ary nohazavainy azy ireo : âfa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.â (Nehemia 8:10)
Avelao ny fifalianâAndriamanitra hanavao ny herinao indray ry namako anio. Momba anao Andriamanitra, eto ary ankehitriny. Manasa anao Izy hankafy ity tontolo andro ity, hifaly ao Aminy ary hanekenao hamenoany anao aminâny Fanatrehany.
Mahereza ao aminâny Tompo ry namako, ao aminâny Heriny sy ny Tanjany.