🍫 Miatoha kely !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🍫 Miatoha kely !

Raha refesina dia omenao firy amin’ny naoty 0 ka hatrimin’ny 10 ny aavon’ny adin-tsainao isan’andro ?
Fony aho mbola ankizy, dia nahafinaritra ahy ny namaky ireny dokambarotra amin’ny fonosàna sokôla ireny, izay misy olona “niato kely, nihinana ny sokôla Kitkat”. Izay nidika fa nahatony avokoa ny zavatra nataon’izy ireo mba hakany aina, mba anokafany fonoteny kely ao anatin’ny adin-tsaina andavanandro ary mba ihinanany ilay sokôka tena mafilotra.
Matetika tokoa ny zavatra iainana manodidina antsika dia miteraka adin-tsaina ho antsika. Kanefa amin’ny fotoana rehetra, dia afaka miato kely isika mba ifantoantsika amin’Andriamanitra sy ny teny fampanantenany. Efa mpahazo ahy in-arivo isa izany : latsaka tao anaty toe-javatra sarotra sy mampiady saina aho, ary ao anatin’izany fitsapana izany , dia nanapa-kevitra ny hijanona ary hanomboka hisaotra an’Andriamanitra aho satria eo anilako eo Izy.
Isaky ny manapa-kevitra ny hiato kely aho, dia miova ny zavatra rehetra : raha tokony hoe mbola mitohy ny adin-tsaina, tokony mbola tsy ho tony, tokony ho tezitra na zavatra hafa, dia mifantoka amin’Andriamanitra aho, ary manampy ahy ahafantatra ny fomba fijeriny, ny fitoniany, ny hafaliany, ary ny vinany fa indrindra hifaliako eo amin’ny fanatrehany.
Ao anatin’izany lafim-pinoana vaovao izany no ahafahantsika manamarina izay voalaza ao amin’ny Baiboly hoe :” Ary fantantsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, …” (Romana 8:28). Eny, ny fahavalo te isampana ny lalanao. Kanefa raha misafidy ny hiaina ao anatin’ny fitiavan’Andriamanitra mafy orina ianao, dia hamadika izany fanafihana izany ho fotoana hahafahanao mitombo sy ho tahiana Ny Tompo !
Ry namako, aza misalasala maka fotoana ihatona ary ifantoanao indray amin’Andriamanitra rehefa mila izany ianao !
Matetika mantsy, mamakivaky ny fiainana amin’ny fomba mandeha ho azy isika, tsy tsara ho antsika nefa izany. Rehefa tsikaritrao hoe mahatsiaro tena tsy dia mety tsara ianao, dia mampahery anao aho mba hanana izay fahazarana ihato izay mba hanombohanao ny fankafizanao ny fanatrehan’Andriamanitra. Tena hahasoa anao izany ! “Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao” (Ohabolana 3:6).

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!