🍨 Fifaliana ho an’ny fiainanao izany !
Anio isika dia hanohy handinika ny andinin-tsoratra masina ho an’ity herinandro ity, izay manao hoe : « Fa ny lalĂ n’i Jehovah no sitrany » (Salamo 1 :2).
Mety manontany tena ianao hoe inona marina ny dikan’ny teny hoe « sitraka » ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, na hoe ahoana ny fomba ahitana sitraka ao amin’Andriamanitra ?
Tiako ny mampiasa ny ohatra momba ny sakafo matsiro. Alaivo sary an-tsaina hoe ao anaty toeram-pisakafoana ianao ary eo am-pihinanana ny sakafo tianao indrindra, izay nandrahoin’ny iray amin’ireo mpanao sakafo mahay indrindra eran-tany…
Vao manandrana ianao dia efa … Miam ! Tena tsara lavitra noho izay noeritreretinao ilay izy. Eo am-pamaranana ilay sotro voalohany ianao dia efa mieritreritra ilay faharoa sahady ka miomana ho amin’izany =)
Mandritra io fotoana mamy io dia mankafy izany sakafo izany ianao, mankamamy azy ary mihinana azy amim-pankasitrahana feno satria afaka miaina izany fitahiana izany !
Nantsoina hiaina io fotoana mamy miaraka amin’Andriamanitra io isika satria rehefa mankeo amin’ny Fanatrehany ianao ka manomboka manokatra ny fonao Aminy, dia mahatsapa fitiavana, fiadanana ary fitahiana miraraka eo amin’ny fiainanao … ary manenika anao ny fankasitrahana !
Araka ny ambaran’ity andinin-tsoratra be mpitia ity manao hoe : « Andramo ka izahao fa tsara Jehovah» (Salamo 34:8). Izany tokoa no izy, rehefa manandrana ny fahatsaran’Andriamanitra ianao dia tsy afaka ny tsy hifaly ao Aminy mihitsy sy tsy hankafy ny Fanatrehany !
Ny andinin-tsoratra anio dia miresaka amintsika momba ny fifaliana miaraka amin’Andriamanitra, momba ny Sitrapony lavorary ho an’ny sitrapontsika, ary momba ny Teniny sarobidy izay mitarika antsika sy manoro antsika ny Fahamarinany ary ny Planiny ho antsika.
Ry namako, ny planin’Andriamanitra dia fifaliana ho an’ny fiainantsika ! Raha mianatra mifaly ao Aminy sy ao amin’ny Sitrapony ho an’ny fiainanao ianao anio dia ho hitanao ny fomba hiovan’ny zavatra rehetra manodidina anao. Miomà na hiaina izany fianam-panantenana izany ! ;D
Amin’izao asaramanitra izao dia hamafisiko fa planin’Andriamanitra ny hampifaly ny Malagasy tsirairay avy ary ny hiainanao izany fitahiana izany. Faly miarahaba antsika nahatratra ny anio ka ho “…tany sambatra tokoa ilay Madagasikaranay!”