🍇 Fiainana feno fahombiazana sy mamokatra !
Ny Salamo 1 dia iray amin’ireo Salamo tiako indrindra, indrindra ireo andininy 3 voalohany ireo. Andao hiara-hamaky azy ireo isika :
“SAMBATRA Izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy, Ary tsy mijanona eo amin’ny lĂ lana falehan’ny mpanota, Ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira;Fa ny lalĂ n’i Jehovah no sitrany; Eny, ny lalĂ ny no saintsaininy andro aman-alina.Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, Izay mamoa amin’ny fotoany, Ny raviny koa tsy mba malazo; Ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa..” (Salamo 1:1-3).
Miteny aminao koa ve ity andinin-tSoratra Masina ity ? Tiako ity sarin’ny hazo iray eo amoron’ny rano velona ity, nambolena tao anaty reniranon’ny fitahian’Andriamanitra, izay mamoa voa betsaka. Tena mampita hafatra tokoa ity sary ity !
Tsy haiko ny anao, ry namako, fa ho ahy manokana dia tiako ho tahaka an’ity hazo ity ny fiainako : vaovao, miorina tsara ary feno voankazo.
Raha ny marina, io andalana io dia mifarana amin’ny fampanantenana fa “Ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa” (andininy 3). Waouuh! Fampanantenana tena tsara tokoa ! Alaivo sary an-tsaina hoe mety avokoa ny zava-bitanao… Izany no fampanantenana amin’ity andalana ity !
Ry namako, tian’Andriamanitra hahavokatra ny fiainanao, ary koa mba hahomby ianao amin’ny zavatra rehetra.
Izany no mahatonga antsika hamakafaka ireo fanalahidy hita ato amin’ity andalan-tSoratra Masina ity, mba hananantsika ny fiainana mahavokatra sy feno fahombiazana izay tian’ny Tompo hatolotra antsika.
Heveriko fa hisy fiantraikany aminao amin’ny fomba manokana ity andiany ity ! Mivavaka aho mba ho tanteraka izany.
Mivavaka ho anao sy mitondra anao ato am-poko aho.