đż đ˝ Ilay singa tsiambaratelo !
Manana singa tianao manokana (na tena tsiambaratelo mihitsy) ve ianao rehefa mahandro ? Ho ahy manokana dia ny kotomila izay. Fony aho nipetraka tany Texas dia hitako tamina sakafo meksikana io singa io ary tena tiako ny tsirony. Hany ka nanomboka teo dia miezaka manisy azy aho aminâny nahandroko =)
Ankafiziko ny kotomila saingy tsy hevitra tsara foana ny mampiasa azy. Ohatra hoe tsy hieritreritra ny hanisy azy amina sakafo mamy toy ny ronono sĂ´kĂ´lĂ mihitsy aho. Azonao an-tsaina ve ny tsironâizany ? đľâđŤ Ah !
Ary ny zavatra mahafinaritra dia ny hoe Andriamanitra dia manana singa miafina izay azonao ampiasaina amin’ny fotoana rehetra. Te-hahalala io singa io ve ianao ? Ny fitiavanâAndriamanitra izany. Io fitiavana tena marina izay avy aminâny fonâAndriamanitra io no singa manan-danja, manana hery hanova ny fifandraisana sy ny toe-javatra ary ny zavatra ataonao rehetra ho lasa fotoana miavaka.
ToetranâAndriamanitra mihitsy ny fitiavana (I Jaona 4:8). Arakaraka ny mahafeno anao aminâio fitiavana io no hahatsapanao bebe kokoa anâAndriamanitra, ary arakaraka ny maha-akaiky anao kokoa aminâAndriamanitra no hisehoanâny Fitiavany aminâizay rehetra ataonao.
Hoy ny Baiboly : ÂŤ Ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana. Âť (Efesiana 5:2).
Ry namako, manana tombony afaka mandeha aminâny fitiavana toy ny nataonâi Jesosy ianao. Avelao ny fitiavanâAndriamanitra hanenika izay rehetra iainanao, izay fihaonana sy izay resaka ary izay rehetra ataonao anio⌠ary avelao izany hitondra ny hanitry ny Lanitra eo aminâny fiainanao. Manome toky anao aho fa raha hanandrana izany isanâandro ianao, dia tsy te hiala miny intsony !
Mandrosoa aminâny fo feno fitiavana mankany aminâny tanjona, ary avelao ny Hanitra sarobidy entiny hanondraka ny fiainanao.