🌵 Tsapanao ve ny tsilo ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🌵 Tsapanao ve ny tsilo ?

Tsaroanao ve ny fanoharana momba ny mpamafy?

Miresaka momba ny voa nafafy tamin’ny karazan-tany samihafa Jesosy. Ary nisy tamin’ireo voa ireo no nilatsaka tamin’ny tsilo.

Tamin’ny voalohany dia naniry ihany izy ireo fa avy eo dia sempotry ny olan’ny fiainana sy ny tranga ekonomika. Tsy mba nitondra vokatra ireo voa ireo (Matio 13:22).

Mampatsiahy anao tranga iray ve izany ry namako? Imbetsaka isika no nifidy hifantoka ela loatra amin’ny olana, ny andraikitra sy ny tetikasantsika…ary dia ataontsika anjorom-bala ny tena misy tombambidy!

Lasa miaina anjambany isika ary manao zavatra an-jatony…fa ny tena marina dia mandritr’izany fotoana izany dia mandalo ny fiainantsika nefa tsy mitondra vokatra amin’ny tena tokony ho izy

Tsy tian’Andriamanitra ho verenzintsika ny tanjom-piainantsika. Hoy ny Baiboly hoe: “Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.” (2 Timoty 1:7).

Nantsoiny ianao ho fahazavana eto amin’izao tontolo izao, hamiratra am-pitokiana eo amin’ny

  • Fanatrehany. Tsy sitrany ny ahamaina ny fiainanao! Nomen’Andriamanitra anao ny Fanahiny Masina izay:
  • Fanahy mahery, ahitanao ny fahagagan’Andriamanitra.
  • Fanahim-pitiavana, handehananao amin’ny fitiavana sy hitahy ny manodidina anao
  • Fanahy mahonon-tena, tsy hampisendoatra anao anatin’ny fihetsem-po fa hanao izay asehon’Andriamanitra anao.


Ry namako, aza avela hanempotra anao ny tsilom-piainana! Mivavaka aho mba hiaina am-paherezana sy fahatakarana avy amin’ny Fanahy Masina ianao, hiatrehanao ny andraikitrao sy izay tokony tanterahina

Anio hiaino manontolo ny Fandreseny.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!