🌳Ianao izany !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🌳Ianao izany !

Eritrereto hoe manao ahoana ny fiainana, raha hambinina amin’izay rehetra ataonao ianao…
Akipio ny maso, handeha hiaraka amiko fotoana fohy dia eritrereto hoe misy masoandro mody tena mahafinaritra amin’ny fotoanan’ny fararano. Ao anatin’io tontolo, voadidina kijana mirakotra loko mavo sy taratra lokom-bolamena, dia misy renirano izay mikorina velona tsara. Eo amoron-drano eo, no misy hazo goavana sady salama tsara satria ny raviny dia maintso na dia fararano aza, ary masaka ny voany. Tsara loatra ilay hazo iray manontolo sady mipololoitra fiainana.
Ry namako, mampatsiahy anao zavatra iray io hazo io e ? Eny tokoa, lazaiko aminao fa io hazo io dia ianao ! Izay no tin’Andriamanitra ahatongavana eo amin’ny fiainanao. Ny salamo 1 dia milaza momba ireo izay miodina amin’ny fifandraisana ratsiny, ary, misafidy ny hanolo izany amin’ny fitadiavana an’Andriamanitra. Ny mpanao Salamo dia milaza fa izay manao toy izany : “Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” (Salamo 1:3).
Tsikaritrao ve ireto teny fampanantena voarakitra ao amin’io Salamo io :

  • Hisotro ny loharanon-drano velona izay omen’ny Tompo anao ianao.
  • Hamokatra izay rehetra ataonao.
  • Tsy halazo ianao mandritry ny fotoana rehetra.
  • Hahomby avokoa izay tanterahinao.

Izany rehetra izany no omanin’Andriamanitra ho anao, teny fampanantenany ho anao izany. Moa tsy tena mahafinaritra ?
Ry namako, rehefa manaiky ho fenoin’Andriamanitra ianao, dia fenoiny amin’ny fitahiany. Ary na dia rehefa tojo andro sarotra aza, rehefa tsy maintsy mamakivaky ny lohasahin’ny ranomaso, dia afaka avadikao ho loharano miboiboika izany (Jereo Salamo 84:5-7).

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!