🌱 Eo anoloanao ny finoana!
Amin’ity herinandro ity isika dia manohy hatrany amin’io andalan-tsoratra masina io, anio isika dia tonga eo amn’ilay andalana izay nilazan’ny mpanoratra hoe: “Ampifantoka ny masontsika amin’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa izany,…” (Hebreo 12:2,).
Tao anatin’ny izay andro vitsivitsy izay dia efa hitantsika fa :
- Andriamanitra dia te hanao zavatra eo amin’ny fiainantsika.
- Mba hanatanterahany izany anefa, dia tsy maintsy manala ny tenantsika amin’ny vesatra sy ny fahotana rehetra isika. Ary mihazakazaka manatona an’i Jesosy, ka maneho faharetana isan’andro.
Inona anefa no mitranga rehefa reraka loatra isika ka tsy fantatsika intsony izay tiantsika hatao? Inona no azontsika atao rehefa tsy ampy hery sy fahazotoana isika ?
Ny fanalahidy dia efa eo anoloanao: izay jerenao dia lasa hery manosika ny fiainanao.
Raha mijery ny fakam-panahy ianao, dia na dia miezaka ny hanohitra an’izany aza, dia tsy ho afa-bela amin’izany ianao. Fa raha mifantoka amin’i Jesosy ny masonao, ka na inona na inona fitsapana hanjo anao dia tsy hisy hahasaraka anao amin’ny Fitiavany…
Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza amintsika hoe: “ Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy. » (II Kor 3 :18)
Eny, arakaraka ny ifantohan’ny masonao amin’ny Tompo no hanirianao hiaraka Aminy!
â—Ź Miova ianao amin’ny alalan’ny fihaonanao mivantana Aminy.
● Miaina hatrany ny Voninahiny eo amin’ny fiainanao ianao.
● Lasa hery manosika ny fiainanao izany, manosika anao hanatanteraka ny zava-drehetra…
● Jesosy no Loharanon’ny finoana, ary Izy no mahatanteraka izany isan’andro eo amin’ny fiainanao!
Ry namako, ampifantohy amin’i Jesosy anio ny masonao, ary avelao ny Finoany hameno amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainanao ! Hitondra anao amin’ny anjara efa nomaniny ho anao Izy.