🌱 Efa akaiky ny fotoam-pijinjana!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🌱 Efa akaiky ny fotoam-pijinjana!

Ny fahendrena ao ambadiky ny fitsipiky ny famafazana sy ny fijinjana dia tena lehibe tokoa.
Efa nanandrana namboly voa tao anaty vilany kely misy landihazo ve ianao? Fony aho mbola kely, niaraka tamin’ny mpampianatra anay dia namboly voa tsaramaso izahay.
Ny hany tsy maintsy nataonay dia naka kaopy plastika kely, fenoina landihazo, ary asiana tsaramaso iray misy rano kely. Izay ihany.
Nandritra ny andro maromaro dia nanondraka ny tsaramaso izahay, toa, tsy nisy na inona na inona nitranga; fa rehefa afaka herinandro dia nanomboka niova ny zava-drehetra.
Tampoka teo dia nisy tsimoka maitso kely nipoitra ary nanomboka naniry. Vetivety dia nisy ny zava-maintso kely tsara tarehy naniry. Nety tsara, nitsimoka ilay voa!
Eny, mamoa voa izay afafintsika, ary mihatra amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika izany, na eo amin’ny fianarana, na eo amin’ny asa, na eo amin’ny fifandraisana, na eo amin’ny fianakaviana, na amin’Andriamanitra… amin’ny lafin’ny rehetra : arakaraky ny hamafazantsika voa eo amin’ny toerana iray no hijinjantsika vokatra betsaka.
Jereo izay lazain’ny Baiboly hoe: “Izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be.” ( 2 Korintiana 9:6 ). Raha ny marina, ao amin’ny andininy vitsivitsy ao ambany, ao amin’ny andininy faha-10-15, dia milaza hoe:
· Andriamanitra dia manome antsika voa (fahaizana, voankazo, talenta, famatsiana, hevitra, sns) mba entintsika hofafazana izany.

  • Vokatr’izany dia manome izay hilaintsika Izy ary mampitombo isa.
  • Hatramin’ny hanomezany antsika harena, mba hahatonga antsika ho malala-tanana bebe kokoa hatrany rehefa manolotra izay hananantsika.
  • Ary izany fahalalahan-tanana izany dia mahatonga ny olona hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny alalantsika.

Waouh! Tsara loatra, sa tsy izany? Ry namako, inona no voa azonao ambolena anio? Ahoana no ahafahanao “mamafy” ny fotoananao, ny fahaizanao, ny famatsianao, ny hevitrao… eo amin’ny fiainan’ny hafa mba ho voatahy kokoa izy ireo
Rehefa mamafy amim-pitiavana isika, dia sarobidy ny vokatra azo. Avy amin’ny traikefa hitako no ilazako izany aminao. Mety mila fotoana kely izany, tahaka ilay voan’ilay tsaramaso.
Fitahiana eo amin’ny fiainako sy eo amin’ny fiainan’ny olona maro hafa ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!