🌪Aza manaiky ho voafandriky ny tafiotra !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🌪Aza manaiky ho voafandriky ny tafiotra !

Ny Baiboly dia milaza fa Jesosy dia naka fotoana nisintahana mba hivavaka. Tamin’io alina io, noho ny fangatahan’I Jesosy, dia niondrana an-tsambo ny Mpianany mba hihazo ny moron-drano ilany, saingy notampohin’ny tafio-drivotra izy ireo rehefa niampita ny ranomasina (Matio 14:22-24).

Tamin’ny lasa dia nisy tafio-drivotra hafa afaka nanafotra azy ireo ! Saingy tao an-tsambokely teo anilan’izy ireo Jesosy ka ny Feony dia ampy nanohitra ny rivotra sy nandrava ny planin’ny haizina (Matio 8:23-27). Tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia irery teo anivon’ity fandrahonana mahery vaika ity ny mpianatra. 

Ary io alina io rehefa avy nivavaka Jesosy dia nahalala fa tokony hanatona azy ireo. Tsy nisalasala Izy noho izany nanao zavatra izay tsy mbola nataon’olona hatrizay, dia ny nandeha ambony rano izany.

Mahatalanjona aok’izany ny mamaky ny fomba nahafahan’i Jesosy nanatona azy ireo noho ny herin’ny Fanahy Masina, ka nandravany ny lalĂ n’izao tontolo izao ! Saino kely anie e : ninia nandeha ambony toerana tsy marina, dia ny rano, Izy, toy ny hoe nandeha tamin’ny tany maina.  

Efa tena tsy mampino izany ! Fa ny mbola mahagaga kokoa dia ny mamaky ny fomba nandehanan’I Petera ambony rano ihany koa, noho ny Anarany.

Milaza ny Baiboly fa tao anaty fifanjevoana tanteraka ny mpianatra nanoloana io tafio-drivotra io ! Avy eo rehefa hitan’I Petera fa nanatona Jesosy dia nihiaka mafy izy nanao hoe : « Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ny rano aho. Ary hoy Izy: ManatĂ´na » (Matio 14:28-29).

Teny iray monja avy amin’i Jesosy dia ampy nanomezany ny finoana nilain’i Petera mba hivoahana ny sambo. Ary rehefa nibanjina an’i Jesosy izy dia afaka nandeha tamim-pahatokiana ambony rano.  Rehefa nanomboka nisalasala izy teo am-pahitana ny herin’ilay tafiotra vao nanomboka nilentika. 

Fa tamin’io andro io, nisy nahery noho ilay tafio-drivotra teo ! Rehefa mandefa ny masontsika any amin’ny tsy izy isika dia manomboka tafiditry ny rano ny fiainantsika.

Ry namako, aza manaiky ho voafandriky ny tafiotran’izao tontolo izao izany mihitsy ! Aza manaiky rebirebena ary aza manala ny masonao amin’Ilay efa nandresy ny tafio-drivotra rehetra !

Jesosy ilay mandrava ny lalàn’izao tontolo izao sy manome ahy sy ianao izany fahefana izany noho ny Anarany, mba hiainantsika fahagagana maro sy hahitantsika zava-mahatalanjona miseho manodidina antsika.

Te hitsangana hanohitra anao io tafio-drivotra io mba hahatonga anao ho very finoana. Aza manaiky izany ! Vao mainka aza mandrosoa amim-pikirizana ao anatin’io sady “mijery an’I Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy” (Hebreo 12:2).

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!