🌤️ Tsarovy ny lanitra!
Tamin’ny farany isika dia niresaka mikasika ireo fanalahidy lehibe hanoherana ireo fitaoman-dratsy misy eo amin’ny fiainantsika : tsy mibanjina ilay fakam-panahy intsony ary manalavitra izany. Nahita koa isika fa raha ny marina dia manana fahafahana tanteraka tokoa isika, izay tsy araka ny noheverina, afaka miaritra tsara tsy ho lavo.
Anio dia te hanohy izany aho amin’izay hanoroako anao ny fomba mety hibanjinanao an’I Jesosy. Rehefa feno ony rano velona avy Aminy ny fiainanao dia mihena ny hetahetanao amin’ny zavatra hafa. Raha ny marina dia arakaraky ny hanatonanao Azy no hahatsapanao bebe kokoa ny fisiany, ka tsy mandaitra amin’ny fiainanao ireo fakam-panahy.
Jereo kely ity andinin-tsoratra Masina ity “
Ary amin’izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay” (2 Petera 1 : 10), mahafinaritra ery izany fanomezan-toky izany!
Izay no fanalahidy mba tsy ho tafitohina mihitsy :
- Tsarovy ny Fiainana Mandrakizay, Andriamanitra mihitsy no manasa anao. Misy lanjany ianao eo anatrehany. Fantany ianao ary iriany mba hiaraka Aminy mandrakizay !
- Tsarovy ny famonjenao sy izay tian’Andriamanitra rehetra hatao amin’ny fiainanao, eto sy izao dia izao.
- Tsarovy Izy sy ilay fifandraisana lalina tiany ananana miaraka aminao. Tsy menatra anao Izy. Nambarany fa zanany ianao !
Izany rehetra izany dia mihoatra lavitra noho izay mba azon’izao tontolo izao atolotra ho anao.
Eny ry namako, arakaraky ny hivokisanao amin’ireo zava-misy any an-danitra no tsy handairan’ireo fakam-panahy eo amin’ny fiainanao, satria lasa tsy liana ny amin’ny firehak’izao tontolo izao ianao.
Rehefa mipoitra amin’ny fiainanao ireo fitaoman-dratsy, tonga dia tsarovy I Jesosy, ny Lanitra sy izay rehetra avy Aminy. Aoka ho feno ny fanatrehan’Andriamanitra ianao, ka alaviro ny zavatra hafa rehetra. Ho hitanao fa madinika indrindra ireo fakam-panahy ireo oharina amin’Andriamanitra !
Manao zava-tsarobidy eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, ary mbola hiasa bebe kokoa aminao.