🌙Alina mahafinaritra be no miandry anao !
Matory tsara ve ianao amin’ny alina ? Mahavita matory adin’ny 8 ora araka ny torohevitry ny mpitsabo ? Izaho manokana, adin’ny 4 na 5 ora eo ihany no matory, izay no mahazatra ahy.
Hoy ny Baiboly : ” Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy” (Salamo 4:8). Sarobidy loatra ny fahafahana miankina amin’ny teny fampanantenan’Andriamanitra. Araka izay efa nolazaiko anao teo, maharitra 4 na 5 ora ihany ny torimasoko amin’ny alina isan’andro, satria aho dia tena tsy mipetrapetraka ary tsy mitsahatra ny manao zavatra. Ka rehefa handeha atory aho, dia rendrika ao anatin’ny segondra vitsy, dia tena manararaotra ny isan-tsegondra amin’ny torimasoko araka izay azoko atao aho! Miala sasatra eo amin’ny Tompo aho, mahatoky ny fahalebiazany sy ny fiarovany eo amin’ny fiainantsika aho, ary tsy avelako hisy olana na fanahiana hangalatra ny torimasoko.
Eny, ry namako, raha manakana ny torimasonao ny olana, fotoana izao, ametrahanao izany tanteraka eo an-tanan’ny Tompo. Aza omena ny olana ny torimasonao, omeo Ny Tompo ny olanao dia mahazoa tory toy ny zazakely !
Anio alina, mialohan’ny hatorinao, omeo ny Tompo fotsiny, ao anatin’ny vavaka ny tebitebinao, ny tsy fahatokinao sy ny tahotrao. Aboray eo Aminy izay rehetra manavesatra ny fonao, dia avelao ny fiadanany sy ny tokiny anondraka ny fonao. Alim-pialantsasatra tsara indrindra no miandry anao !
Ry namako, amin’ity anio ity sy rahatrizay, mialà sasatra eo amin’ny Tompo.