🌏 Efa resy izao tontolo izao!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🌏 Efa resy izao tontolo izao!

Ny fandresenao sy ny ahy dia mifototra ao amin’ny fandresena faratampony : ny fandresen’i Jesosy.

Araky ny nolazaiko omaly dia na naharay ny fandreseny aza isika dia mandalo fotoana sarotra sy ady. Izany rahateo no nolazain’i Jesosy Tenany tamin’ny mpianany ao amin’ny Filazantsara : “Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana…” (Jaona 16:33)

Ny mahatsara azy dia tsy mifarana hatreo io andininy io fa mitohy mampahery antsika Jesosy manao hoe: “nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”

Inona moa ny dikan’ny hoe Jesosy naharesy izao tontolo izao? Tsy niteny izy hoe naharesy ny planeta tany na ireo olona monina ao! Ny marina dia ny adin’i Jesosy dia tsy nitodika tamin’ny olona na zavatra noforoniny. Satria tiany ireo!

Satria tokoa, “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16)

Tian’Andriamanitra ny tontolo noforoniny ary indrindra ny zanany. Ny tena marina dia ilay izao tontolo izao resin’i Jesosy dia ny herin’ny maizina, ilay singa napetraky ny fahavalo teto an-tany. Io “tontolon’ny haizina” sy ny fifanjevoana io no nahatongavany ho resena!

Ao amin’io tontolo io tokoa dia misy tranga mamizana antsika satria ny haizina dia hitady izay hangalarana, hamonoana, hanimbana sy hanakanana antsika handroso foana….fa Jesosy dia efa nandresy io singa io satria “mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly” ( Hebreo 2:14)

Ary ny tena mahafinaritra dia milaza foana Izy hoe : “ …mba hanananareo fiadanana amiko…matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Araky ny Jaona 16:33).

Ny fandreseny dia fandresenao ry namako! Ao Aminy dia efa nandresy izao tontolo izao koa ianao. Ao Aminy dia manoatra noho ny mpandresy ianao!

Misy lafim-piainanao mbola tsapanao ve fa mbola fehezin’ny fahavalo? Manasa anao aho hivavaka izao ary am-pinoana, rombao ny fandresen’i Jesosy Kristy ho anao.

Ao am-poko ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!