🌍Ianao ve no olona malemy fanahy indrindra eto an-tany ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🌍Ianao ve no olona malemy fanahy indrindra eto an-tany ?

Olona manana toe-po maherihery ve ianao ? Raha izany dia azoko antoka anefa fa tsy afaka ny hampitaha ny tenanao amin’I Mosesy, fony izy tanora, mihitsy ianao ! Indray andro, tanaty fahatezerana dia namono Egyptiana iray izy. 

Voatery nandao an’i egypta i Mosesy noho izany ka niaina 40 taona tany an’efitra. Tany no nifanenany tamin’ilay ho vadiny sy nanokanany tena hikarakara ny ankohonany sy ny andian’ondriny.

Iza no nanam-po fa i Mosesy dia ho lasa olona faran’izay malemy fanahy teto an-tany mandrapahafatiny ? Izany tokoa no ambaran’ny Baiboly : “Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra aty ambonin’ny tany” (Nomery 12:3). 

Tena fiovana tokoa izany ! Milaza ny fandikan-tenin’ny Baiboly hafa fa azo lazaina ho milamina sy malemy fanahy ary manetry tena ny teny hoe “malemy fanahy”. Azonao sainina ho toy izany ve I Mosesy ?

Hoy Jesosy tamin’ny mpianany : “Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo” (Matio 11:29). 

Mila mianatra miaina io fahalemem-panahy io isika amin’ny andavanandro ! Fantatr’Andriamanitra ny herin’i Mosesy ary efa nanana planina hampiasa azy Izy mba hitondra famonjena ho an’i Israely…Saingy nila niandry 40 taona tany an’efitra ny fon’i Mosesy vao tonga malemy fanahy araka ny ilaina, mba ahafahan’Andriamanitra miasa amin’ny fomba mahery vaika amin’ny alalan’ny fiainany.

Ry namako, manambara ny refin’ny fahamatoranao ara-panahy ny fahalemem-panahinao. Mivavaka aho mba haniry mafy ianao manomboka anio hoe ho taratry ny halemem-panahy, ny fanetren-tena ary ny fahasoavan’ny Tompo tsy mbola nisy toy izany ny fiainanao amin’ny lafiny rehetra.

Jereo fa misy Ranomasina Mena maro miandry anao hamakivaky azy.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!