🌍 Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🌍 Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra!

Tianao ve ny mandray fanomezana? Misy olona milaza ho tsy tia an’izany, nefa ataoko fa tsy misy olona tena tsy tia mandray fanomezana izany,raha tena dinihina ny ao am-pony lalina ao.

Isika rehetra tamin’ny voalohany dia samy noforonina niaraka tamin’ny fironana haniry sy hiaina izany fanomezan’Andriamanitra izany. Ny fiainana mihitsy dia efa fanomezana, ary hatramin’ny nahaterahantsika dia miaina mandrakariva ao anatin’izany fandraisana fanomezana isan-karazany izany  isika amin’ny endrika fitiavana sy fikarakarana ary fiahiana avy amin’ny ray aman-drenintsika.

Ny fahavalo dia te hanandevo antsika amin’ny alalan’ny fahotana sy ny ozona izay tafiditra eto amin’’izao tontolo izao noho ny faharatsiana. Fa Andriamanitra dia miantso antsika ho amin’ny tena fahafahana: “ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. ” (Romana 8:21).

Ao anatin’izany fahafahana izany dia tsy andevo isika fa zanaka. Tsy antsoina mba ho velona amin’ny “fameloman-tena” isika , fa antsoina kosa mba hiaina feno, amin’ny fahatokiana fa “hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:19) Izy.

Tsy midika akory izany fa tsy mila miezaka na miasa isika, fa tokony manao izany amin’ny fomba fijery hafa. Tsy manao izany amin’ny toe-tsaina mba ho velona fotsiny isika, fa mampahery ny tenantsika amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy (2 Timoty 2:1) ary miasa amin’izay itarihany antsika, mba ho voninahiny (Jaona 6:27).

Ao amin’io tontolo vaovaon’ny finoana io no ahafahantsika mahatsapa bebe kokoa fa izay rehetra ananantsika dia fanomezana avy amin’Andriamanitra tokoa, ary Andriamanitra no tena mpamatsy antsika. Mahita izany fahamarinana izany bebe kokoa aho eo amin’ny fiainako, ary tena manafaka! 😄

Ry namako, tonga ny fotoana hankafizana indray ny fanomezana nomen’Andriamanitra anao! Aza avela hanarona ny sainao ny olana isan’andro ka hanakana anao tsy hahita ny zavatra rehetra nomen’Andriamanitra anao sy efa notanterahiny teo amin’ny fiainanao.

Mandritra ity herinandro ity dia hijery bebe kokoa momba ireo fanomezana nomanin’Andriamanitra ho anao isika. Mino aho fa hitondra fitahiana lehibe ho anao ity lohahevitra ity! ;D

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!