🌊Eo anelanelan’ny sabatra sy ny “Ranomasina Mena ve ianao ?
Efa nahita ny fomba fanokafan’Andriamanitra lalana eo amin’ny tsy misy azo aleha ve ianao tamin’ny fiainanao ? Izaho efa nahita ary efa imbetsaka.
Imbetsaka nangataka tamin’i Farao i Mosesy sy Aarona rahalahiny ny hamotsorana ny Israelita. Nandefa famantarana mahagaga maro Andriamanitra. Ary raha ny marina dia nahavita naka tahaka ireo fahagagana voalohany nataon’i Mosesy ny ombiasy niaraka tamin’i Farao tamin’ny herin’ny maizina. Saingy tamin’ny fotoana iray dia tsy naharaka intsony izy ireo. Rehefa resy izy dia namboraka nanao hoe : “RantsantĂ nan’Andriamanitra ity” (Eksodosy 8:15).
Taorian’ireo loza folo dia navelan’i Farao handeha ny Israelita rehefa kivy tanteraka izy… saingy vantany vao lasa ireo dia nanapa-kevitra ny hanenjika azy niaraka tamin’ny tafiny indray izy. Vao tonga teo amin’ny moron’ny Ranomasina Mena ny Israelita ary tsy fantany izay tokony natao. Toa tsy nisy ny lalana nivoahana. Tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hitaraina ny amin’I Mosesy izy ireo.
Ny fitarainana dia poizina manajamba antsika. Ahoana no mbola hisalasalan’izy ireo toy izany taorian’ny fahagagana rehetra nataon’Andriamanitra teo anoloany ? I Mosesy kosa dia nanana toe-po hafa. Hoy izy tamim-pahasahiana tamin’izy ireo : “Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina” (Eksodosy 14:13-14).
Nino i Mosesy fa Andriamanitra dia afaka namorona lalana eo amin’izay tsy nisy azo naleha, ary ny finoany dia nahafahany nahita tsara ny Ranomasina nisokatra lasa rindrin-drano andaniny sy ankilany teo amin’ny tany maina izay nahafahan’izy ireo nandeha.
Ry namako, mamindra tendrombohitra sy manokatra ranomasina ny finoanao !
Manam-pahaizana momba ny famoronana lalana eo amin’ny tsy misy azo aleha Andriamanitra. Noho izany, aza very fanantenana rehefa eo anelanelan’ny sabatra sy “Ranomasina Mena” ianao ! Mivavaha, mahereza ary avelao Andriamanitra hiasa. Hahita ny tsy azo atao ho tanteraka ianao !