🌊 (Tsy) tonga lafatra !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🌊 (Tsy) tonga lafatra !

Raha miresaka aminao momba an’i Mosesy aho dia azoko antoka fa hieritreritra ny Ranomasina Mena izay nizara roa ianao, sa tsy izany ?

Mosesy dia isan’ireo nantsoina hoe « maherifon’ny finoana » satria nitana anjara asa lehibe tamin’ny tantaran’ny Israelita izy, ary tonga isan’ireo mpaminany lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly.

Mety ho mora ny hihevitra fa tonga lafatra tokoa I Mosesy matoa nampiasain’Andriamanitra tamin’ny fomba mahery vaika, saingy lavitry ny fahamarinana izany satria nanomboka tamina fahadisoana goavana aza izy noho izy niafina tany an’efitra nandritra ny 40 taona rehefa sarotra taminy ny niteny… Toa tsy nanana ny toetra takiana amin’ny olona hanafaka ny Israelita mihitsy izy. Kanefa nahalala ny fony Andriamanitra ary tsy nijery izay fahadisoany tamin’ny lasa.

Ry namako, tsy voatery ho tonga lafatra ianao vao hampiasa anao Andriamanitra, mila manokatra ny fonao Aminy fotsiny ianao. Fantatr’Andriamanitra tsara ianao ary hainy ny fomba hiasana amin’ny fiainanao mba hahatonga izany ho fitoeran’ny Voninahiny.

Ny Baiboly dia milaza fa Andriamanitra dia “mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy sainintsika” (Efesiana 3:20). Ohatra tsara amin’izany i Mosesy satria nentin’Andriamanitra nanatanteraka zavatra izay tsy nosaininy hatrizay izy, ary nisy fiantraikany tamin’izao tontolo izao, mandrak’ankehitriny.

Izany no mahatonga antsika hijery akaikikaiky kokoa, ao anatin’ny andro manaraka, ny antsipirian’ny fiainany izay manainga fanahy tokoa ary inoako fa hanamafy ny fiainam-panahinao. Vonona ve ianao ?

Nanomana zava-tsarobidy ho anao Andriamanitra.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!