🌅 Isa-maraina sy ny hariva
“Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro.” (1 Samoela 17.16 )
Aaah ity andininy ity! Mazava be ilay izy, nefa izaho dia namaky azy ity nandritra ny taona maro nefa tsy tena nahazo azy.
Toa nahasorena ny olona tokoa io Goliata io! Tsy izany koa ve no eritreretinao, ry namako?
Raha ny marina…. isa-maraina sy hariva, dia nitoetra teo anelanelan’ny miaramila roa tonta izy, dia ny Filistina sy ny Isiraely. Ary fantatrao ve hoe amin’ny fotoana inona no tena tian’ny zanak’Israely nivavahana sy nankalazana an’Andriamanitra? Hmm, izay mihitsy…. maraina sy hariva!
Alaivo sary an-tsaina hoe te hivavaka ianao, nefa misy goavam-be mierona eo anoloanao! Ahoana ny fihetsikao? Azoko an-tsaina ny fihetsiky ny zanak’ Israely. Izao no voalaza: “Ary ny lehilahy rehetra amin’ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy.” (1 Samoela 17.24). I Goliata no goavambe teo amin’’izy ireo izay tsy nitsahatra nanelanelana nampanalavitra ny fivavahana tamin’izy ireo.
Natahotra ny hiady taminy ny zanak’Israely, sao ho resy. Kanefa efa nandresy azy ireo izy, na dia mbola tsy fantany akory aza! Nony nahita ilay goavambe izy ireo dia nanadino ny fiombonany tamin’Andriamanitra… Ny maraina… sy ny hariva…
Mandra-pahatongan’i Davida nanao hoe: “Aoka tsy ho ketraka amin’ilehio ny fon’ny olona” (1 Samoela 17.32) Tiako, tiako, tiako ny fahatsoran’i Davida.
Ary manontany tena aho hoe nahoana no tsy nisy olon-kafa tamin’ny olona rehetra nanana an’io hevitra io tany aloha!
Ry namako, tsy namela na inona na inona hisakana ny finoany sy ny fahatokiany an’Andriamanitra i Davida: tsy nisy goavambe afaka nanakana izany!
Iza ilay goavambe manakana anao tsy handany fotoana miaraka amin’Andriamanitra? Ny maraina… ary ny hariva? Iza no nahavita nangalatra ny fiombonanao amin’Andriamanitra?
Moa ve ianao tsy te-hitsangana amin-kerim-po amin’izao andro izao eo anatrehan’ilay goavam-benao ka hilaza hoe: “Aoka tsy ho ketraka amin’ilehio ny fon’ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin’io Filistina io.!” (1 Samoela 17.32).
Satria: te handroso ve ianao – tohizo foana ny vavaka!