❗Safidio ny hiteny azy ireo !
Ny fifampibitsihana dia tsy fanapahan-kevitra misy akony amin’ny fiainantsika manokana ihany, fa sady varavarana izay avelantsika hisokatra ho an’ny paikadin’ny fahavalo, ao amin’ny fiangonana.
Handeha halalinintsika, ohatra, ity andalan-tsoratra ity : “Ary tamin’izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ny mpianatra, dia nimonomonona tamin’ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ny fiantrana isan’andro ny mpitondratenany.”(Asan’ny Apostoly 6:1).
Io andininy io dia milaza ny niatombohan’ny fiangonana, ny fiangonana voalohany teo amin’ny tantara. Mazava ho azy, nisy zavatra maro tokony nitondrana fanatsarana, anisan’izany ny fampitaovana eo amin’ny lafin’ny fitsinjarana ny fanampiana ho an’ireo sahirana. Ary voalaza fa toa kely noho ny fanampiana voarain’ny mpitondratena grika izay voarain’ny mpitondratena israelianina.
Mety ho tsara kokoa anefa raha dieny voalohany dia niaraka nandinika ny toe-javatra ry zareo, ary niaraka nitady vahaolana ihany koa ! Kanefa, ny fahavalo dia nanomboka namafy fisainan-dratsy tao amin’ireo mpino grika hanoherana ireo rahalahany hebraika. Nanomboka nino izy ireo fa tsy fahadisoana fotsiny ihany izany fa fihetsika fanahiniana nataon’ireo mpino jiosy.
Nihombo ny fahatezerana sy ny tsy fankasitrahana, sady mbola niresaka matetika momba io teboka io ireo mpino, no nifampibitsika nanohitra ny mpino jiosy.
Hainao ve fa raha niaraka niresaka sy nivavaka ny amin’io olana io dieny voalohany izy ireo, dia afaka nosorohina io fifanjevona io.
Ny fanaratsiana no namelona io afo io, izay nanome fomba fijery vilana momba ny zava-misy marina, ary saika nampisaraka ny fiangonana.
Ny fahavalo dia mampiasa ny fitaovana toy ny fanaratsiana mba hampisaraka, indrindra eo anivon’ny fiangonana. Fotoana izao hampitsahatra izany amin’izay ! Ka izany fiovana izany dia miatomboka miaraka aminao sy izaho, ry namako.
Rehefa misafidy ny tsy hifampibitsika sy hiteny amim-pitiavana isika, dia eo no mahita vahaolana, fitahiana, fifandraisana mafy orina, ary ny fanjakan’ny lanitra dieny ety.