❌ Aza avela hanakana anao izany

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ❌ Aza avela hanakana anao izany

Efa nisy fotoana ve ianao kamo be hampirina ny latabatra rehefa avy nandray vahiny iny, ry namako?

Vao nitranga tamiko vao haingana izany, ary rehefa nifoha aho ny ampitso maraina, dia tsy maintsy nandamina sy nanadio vao afaka niatrika ny asako!

“Lasa fandaniam-potoana sy sakana amin’ny asa tokony ataoko anio,” hoy aho nieritreritra rehefa nanadio ny latabatra. 

Ohatra fotsiny io fa ireny pitsopitsony kely ireny indrindra no hampitarazoka anao amin’ny fanatanterahan’ ny nofinofinao!

Inona no tena nofinofinao, ry namako? Vao haingana aho no nihaona tamin’ny ramatoa iray niresaka tamiko mivantana momba ny nofinofiny: “Mikarakara  fivoriana ho an’ny vehivavy matetika aho,ny tanjoko anatin’izany dia mba hahita azy ireo ho afaka tanteraka”! 

Rehefa nijery azy aho, dia hoy aho anakampo: “Am-pahatsorana no hilazako fa na ianao aza mbola tsy tena afaka tanteraka…”

Fotoana fohy taorian’izay, dia nanokatra ny fony tamiko izy, ary niaiky fa tsy nifandray tamin’ny rainy intsony ary tsy afaka hamela ny helony.

Ry namako, ianao koa dia afaka “mangatak’andro” na mieritreritra mihitsy hoe: “Avelao aloha aho hiaina ny nofinofiko…”! Fa io “antsipirian-javatra kely” hahemotrao matetika io no mahatonga ny nofinofinao tsy mbola tanteraka na tsy ho tanteraka mihitsy …

Voalaza fa niaina 100% ny iraka nampanaovina Azy i Jesosy– sady namakivaky lohasaha mideza sy maina Izy. “Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.” (Hebreo 4. 15-16).

Fantatr’i Jesosy fa tsy mora aminao ny  mamela heloka.

Te hanampy anao izy ary te hameno anao amin’izay rehetra ilainao mba hahafahanao manatanteraka izany.

Ry namako, inona avy ireo teboka tsy tokony tsy angatahanao andro intsony, raha toa ka afaka dieny izao ianao hiaina ny nofinofinao?

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!