❄️ Mifoka rivotra madio !
Tsy mora foana ny manao izay tokony atao, sa tsy izany ? Ny tena marina, matetika ny lalana mora indrindra sy toa tahaka ny hahazoana tombotsoa kokoa (na hoe izay tsy miteraka olana be loatra) dia ny lalana izay manalavitra antsika amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
Aleontsika amin’ny lafiny iray ny midina, satria mora kokoa izany, no sady tsy mitaky fahafoizan-tena be loatra sy ezaka avy amintsika. Kanefa raha irinao ny hahatratra ny an-tampon’ny tendrombohitra, dia vao mainka manalavitra anao ny fidinana.
Raha izany dia tsy misy safidy hafa ankoatran’ny mandray fanapahan-kevitra : dia ny mandray ny lalana izay sarotra indrindra. Eny, ilay lalana miakatra, izay sarotra hihanihana indraindray, kanefa mahatazana lavitra tsara…. Iny no lalana izay ahafahanao ho tonga eny an-tampony sy ahafahanao mifoka rivotra madio avy any an-danitra.
Nanazava ny Mpanjaka Davida ao amin’ny Salamo faha 15 hoe iza no afaka miaina ao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra, ary ny nolazainy voalohany dia “Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony” (Salamo 15.2)
Eny, azo antoka fa hahita fahafahana isan-karazany ianao amin’ny fiarahanao amin’Andriamanitra, izay hisarika sy hitarika anao hidina ambany. Mety efa nandeha tamin’izany lalana izany mihitsy ary ianao… Fa anio, mibebaka ianao satria tsapanao fa nanalavitra an’Andriamanitra mihoatra noho ny teo aloha ianao.
Ny vaovao mahafaly dia afaka manapa-kevitra ny hiverina hihanika ny tendrombohitra ianao anio. Na aiza na aiza misy anao amin’ny dianao, dia afaka misafidy ny handao ny lasanao ianao ary hiverina hanohy ny fiakaranao amim-paharesen-dahatra tsara sy tsy fiovaovana intsony. (Filipiana 3:13-14)
Ry namako, afaka miaina ny androm-piainanao sisa tsy misy tsiny ianao. Ary ny tena mahafinaritra, dia tsy hanao an’izany irery ianao : eo anilanao Jesosy, miara-dia aminao Izy amin’ny lalana rehetra. Noho izany, manokàna minitra vitsivitsy hivavahana ary avelao Andriamanitra handrakotra anao amin’ny Fitiavany, ny Famelany ary ny Fahavononany, mba hahafahanao manohy ny fiakaranao eny an-Tendrombohitra Masina.
Mino aho fa ho lasa fitaratra bebe kokoa ho an’ny hafa ianao !