✨ Kintana ianao !
Herinandro vitsivitsy lasa izay dia niara-nahita andian-tantara momba ny mpanjakan’ny Isiraely isika, tadidinao ve?
Mahafantatra olona tena ilaina mba hampandeha ny asa sy ny zavatra atao ve ianao ?
Rehefa mieritreritra an’izany aho dia ireny ekipa mpanao baolina ireny no tonga ato an-tsaiko voalohany, izay misy ny iray amin’izy ireo ilay mpilalao kintana, fanalahidin’ ny fahombiazana. Io mpilalao io no mandamina sy mandrindra ny lalao, mamono ny baolina ary manosika ny ekipany… Rehefa tsy eo izy dia tsy mandeha tsara ny zava-drehetra.
Araky ny Baiboly, ny Mpanjaka Joasy dia novonjen’ny vadin’ny mpisorona Joaida fony izy mbola kely. Nafenin’izy ireo nandritry ny enina taona izy mandrapalehibeny nanosorana azy ho Mpanjaka. Niahy azy sy ny amin’ny faharetan’ny fanjakany i Joaida ary nanao izay tsara teo imason’Andriamanitra. Rehefa maty anefa i Joiada, dia nirehareha i Joasy.Hoy ny Baiboly : « Ary nandao ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy » (II Tantara 24 :18) , ary nanao fahadisoana hafa koa. Loza no vokatry izany : Resin’ny Asyriana ny Joda ary novonoin’ny mpanompony i Joasy tamin’ny farany.
Ry namako, mila mihaino ny torohevitra omen’ireo izay napetrak’Andriamanitra eo amin’ny lalantsika mba hitari-dalana antsika isika. Fa ambonin’ny zavatra rehetra, dia tokony mampivelatra ny fifandraisantsika manokana amin’Andriamanitra isika. Ny fifandraisanao amin’Andriamanitra dia tsy tokony mifototra amin’ny pretra, na amin’ny pasitera, na amiko aza: ianao no mila mampivelatra ny fifandraisanao manokana amin’Andriamanitra isan’andro. Amin’izay rehefa sendra mandalo tsy fahombiazana isika dia mandroso hatrany , mahery ao amin’ny Tompo. Eny, nantsoina ho mpilalao kintana ny fiainanao manokana ianao ! =)
Maniry hivavaka ho anao aho : « Tompo ô, mivavaka ho an’ny namako aho, mba hanamafisanao ny fifandraisany Aminao isan’andro. Ampio izahay Tompo mba hihaino an’izay “Joiada” napetrakao eo amin’ny fiainanay, ary indrindra indrindra, asehoy anay ny fomba hanamafisana ny fifandraisanay aminao, mba hahafahanay miorina tsara ao aminao. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen ! »